Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo miaramila enin-dahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fidarohana sy fandratrana ireo olona teny Avaradoha. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny herisetra nataon’izy ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ireo lehibeny ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandary mpanao famotorana. Nanao fanambarana rahateo […]
Tranga
Tatitry ny PM : laharam-pahamehana ny filaminana
Nisongadina tamin’ny tatitra fanolorana ny asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, fa manana andraikitra goavana amin’ny fanatanterahana ny velirano voalohan’ny filohan’ny Repoblika ireo mpitandro filaminana. Teo ny fanitsian-drafitra marolafy eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nisy koa ny famolavolana paikady nentina […]
Fanararaotana mpivavaka : pasitera sy namany telo nidoboka am-ponja
Nidoboka am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana ilay pasitera mpitari-pivavahana sy ny namany telo hafa ao amina fiangonana zandriny iray ao Fianarantsoa, afakomaly. Voasaringotra ho nanao fanararaotana ara-nofo tamina renim-pianakaviana mpivavaka ao amin’io fiangonana sahaniny io izy ireo. Raha tsiahivina, nanao fitarainana teny anivon’ny fitsarana ao an-toerana ny mpiangona telo vavy. “Efa […]
Efa nahazo 3 tapitrisa Ar… : tratra ny mpisoloky ho mpandefa mpiasa any Maurice
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, teny Alasora, ny lehilahy iray misoloky ho mpandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Maurice. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, ny volana febroary 2023 lasa teo, nifanena tamina vehivavy iray izy ary nilaza fa mahavita mandefa mpiasa any Maurice. Roboka tokoa ilay vehivavy […]
Famakiana fiara: ben’ny Tanàna lasibatra, telo lahy voasambotra
Voasambotry ny polisy ireo telo lahy namaky ny fiaran’ny ben’ny Tanàna’i Sambava, tao Toamasina, omaly. Nangalatra vola mitetina 1 tapitrisa Ar mahery niampy vola vahiny 100 Euros teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny ny mpangalatra iray, afakomaly. Fiara iray nipetraka amoron-dalana tsy nisy olona tao anatiny. Hitan’ity olon-dratsy izany ka nohararaotiny. Novakiany […]