Tandrevaka sa tena manao fihantsiana ny jiolahy? Hatramin’ny tomponandraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena aza sahin’ny olon-dratsy kitikitihina ny momba azy. Nandritra ny atrikasan’ ireo governoram-paritra sy ny ben’ny Tanàna maromaro, omaly, tamin’ny 11 ora sy 30 mn atoandro, nisy namaky teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny (kintana efatra) nivorian’izy ireo ny fiara […]
Tranga
Samba tanteraka… : lehilahy tratra nanolan-jaza
Nampihatra ny filan-dratsiny tamina zazavavy iray vao fito taona! Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tompon’ antoka tao Antsirabe, fokontany Antsiradava, distrikan’ Andilamena, afakomaly. Napetraky ny reniny tamina olona tsy lavitra azy ireo io zaza io. “Mpanasa lamba io renin’ilay zaza io ka apetrany aman’olona ny zanany rehefa hiasa izy”, […]
Ambohimalaza: telo mianadahy voasaringotra tamina vaky trano
Tra-tehaka tao amina tokantrano iray ny entana halatra, very efa ho efa-bolana lasa, tetsy Ambohimalaza, afakomaly. Renim-pianakaviana iray sy ny vadiny no voasambotry ny zandary. Nisy namaky ny tokantrano iray tao Ambalavato, fokontany Andranonomby Ambohimalaza, ny 13 janoary lasa teo. Tsy vitan’io, mbola niverenan’ireo olon-dratsy indray io tokantrano io, ny […]
Fisolokiana : tratra ireo mpanao feona kalanoro
Naiditra am-ponja vonjimaika ireo telo lahy nisoloky olona maromaro tao Antsiranana, tamin’ny alalan’ny fanaovana feona kalanoro, afakomaly. Mitarika ireo olona sasany mitady harena ireto mpisoloky ireto. Resiny lahatra hanatona toerana. Manao ny feon’io zavatra io ireto olon-dratsy ireto. Resy lahatra tokoa ireo olona fa tena kalanoro no ren’izy ireo. Ampanaterin’izy […]
Poa-basy tetsy 67 Ha : rotiky ny bala Ra Nationale, jiolahy raindahiny
Nifarana hatreo ny asa ratsin-dRa Nationale na i Dadandry, anisan’ireo jiolahy raindahiny amin’ ny fanafihana mitam-piadiana eto an-dRenivohitra, afakomaly alina. Tratra tetsy 67 ha, nifanenjehan’ny polisy ny jiolahy raindahiny iray, ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, tsy nanaiky io jiolahy io rehefa nifanehatra tamin’ny polisy nanao […]