Tranga

Famonoana ben’ny Tanàna : miaramila 2 voasazy 10 taona an-tranomaizina

Voaheloka higadra folo taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo miaramila dimy voasaringotra tamin’ny famonoana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’ Ankazobe, afakomaly. Notan­terahina tao amin’ny fitsarana tao Ankazobe ny momba ny raharaha nahafaty io ben’ny Tanàna io, ny alakamisy 21 novambra teo. 38 mianadahy indray voarohirohy tamin’ity […]

Mpivarotra bala tsy ara-dalàna : jiolahy nahatrarana bala miisa 89

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toamasina, omaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho mpivarotra basy tsy ara-dalàna. Nikasa hivarotra bala ity jiolahy ity kanjo efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary ka niroso tamin’ny fisavana ny tranony. Voamarina tokoa izany. Satria, tratra izy niaraka tamin’ny bala marobe […]

Zaza 6 taona maty novonoina : Voaheloka 10 taona sazy mihatra ny anadahiny

Voasazy higadra folo taona sazy mihatra, taorian’ny fitsarana azy, tao Fianaran­tsoa, omaly, ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona niharan’ny fanolanana sy vono. No­tanana am-ponja nanomboka ny volana mey 2023 noho io tranga vono olona niharo fanararaotana ara-nofo ny lehilahy. Tsy olon-kafa fa zanaky ny rahalahin-drainy, izay zazavavy vao 6 taona monja, […]