Niara-notanana vonjimaika any am-ponja ireo folo lahy namono nahafaty mpianaka tao amin’ny kaominina Belobaka, ny 3 septambra teo. Valifaty no namonona ireo mpianaka. Maty niharan’ny vono sy daroka nataon’ny andian-dehilahy ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy tao amin’ny fokontany Benonika, kaominina Belobaka, ny 11 jona lasa teo. Araka ny […]
Tranga
Anosy : fiara tsy mataho-dalana nifaoka olona
Mpandeha moto sy olon-tsotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tra-doza, teo Anosy, omaly. Niraikitra tampoka ny mpanafaingam-pandeha, tsy voafehin’ny mpamily intsony, noho izany, ny fiara. Vokany, tapa-tongotra ilay olon-tsotra niharan-doza. Tsy nijanona raha tsy tao anatin’ny farihin’Anosy ilay fiara 4×4. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity. Nentina […]
Vaky trano: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Tompon’antoka tamin’ny vaky trano niharo fandratrana olona, telo lahy sy vehivavy roa voasambotry ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DSRP Sava, ny 8 septambra teo. Tra-tehaky ny fokonolona ireo olon-dratsy ikoizana amin’ny famakiana trano ao anatin’ny fokontany Ambodisatrana, kaominina Sambava, ireo. Nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana niseholany tao an-toerana avokoa izy […]
Afobe tao Toamasina: trano vato lehibe iray sy trano hazo enina may
Ankoatra ny asan-jiolahy, miseholany ao Toamasina, mandravarava koa, ny haintrano. Tao anatin’ny 19 ora monja, trano maro no indray kila forehitra hohotohon’ny afo. Olona 30 mahery tsy manan-kialofana raha entana antapitrisany maro levon’ny afo miampy ny vola tahiry tao an-trano. Ny alatsinainy tolakandro teo, tamin’ny 2 ora, trano vato misy […]
Nivoraka ny tsinainy : lehilahy voatifitra teo amin’ny kibony
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika indray tao Belobaka, distrika Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Mpianaka mitazona epi-bar no notafihin’ny jiolahy. Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ireo olon-dratsy ilay raim-pianakaviana ka notsatohin’ireo jiolahy antsy ny vatany sady notifirin’izy ireo. Feno dian’antsy ny lohany sy ny vatany, tapaka ny rantsan-tanany. Torana tsy […]




