Nitrangana fanafihana Cash point indray tao Mangarivotra Atsimo, kaominina Toamasina, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Telo lahy nitondra antsy, niandry an’ilay ramatoa mpitantana io toeram-pandefasam-bola io. Tsy niala dimy metatra io toeram-piasany io, norahonan’ireo jiolahy tamina antsy lava izy. Handroba ilay fitoeram-bola teny amin’io renim-pianakaviana io sy ny finday fampiasany […]
Tranga
Namono ny rahalahiny : naiditra eny Tsiafahy ireo telo lahy nahavanon-doza
Tsy niandry ela, natolotra ny fampanoavana ka nalefa eny Tsiafahy, omaly, ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny famonoana lehilahy iray 48 taona. Disadisa nisy teo amin’io rahalahiny io sy ny iray tampo aminy no antony niteraka ny vono olona niseho ny 21 novambra lasa teo, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. […]
Mananjary: lehilahy nitondra vola sandoka
Lehilahy iray voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary noho ny fanaovana vola sandoka, omaly. Raha ny fanazavan’ny polisy, niely ny resaka tao an-tanànan’i Mananjary fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka. Nitombo isa hatrany ireo olona voafitaka noho ny fiparitahan’ny vola sandoka tao an-toerana ka tonga nametraka […]
Nandroba 10 tapitrisa Ar: dimy lahy tratra nanafika mpanangom-bokatra
Voasambotry ny zandarimaria ny jiolahy telo lahy sy ny namany izay atidoha tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao Tsiroanomandidy. Nahatrarana basy sy ambim-bola nangalariny izy ireo. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’i Fenoarivobe, ny tambajotran-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana kamiao mpanangom-bokatra, afakomaly. Telo lahy tompon’antoka mivantana ary nandray anjara tamin’ny […]
Ambohimamory : tontakely tratra nangalatra fanitso
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohimamory Itaosy, ny tontakely roa lahy nangalatra fanitso, tao amina tokotanin’olona, omaly. Niditra an-keriny tao amin’ny faritry ny tambohon’olona izy roa lahy ireto naka ireo fanitso. Efa nafatratr’izy ireo tanaty gony izany no nisy nahatsikaritra tampoka ny fihetsik’izy ireo nibata izany. Niantso […]





