Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana, maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray tetsy Antohomadinika, omaly. Nitondra antsy lava, miandry ireo mpandalo maraina ity jiolahy lavon’ny mpitandro filaminana tetsy Ankazomanga, omaly vao mangiran-dratsy ity. Miandry ireo mpiantsena maraina sy ireo mpiasa miainga mbola maizimaizina, nifanehatra tampoka tamin’ny polisy ity jiolahy ity. […]
Tranga
Ambohidranomanga : dahalo iray maty lavon’ny zandary
Lavon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambatomirahavavy ny dahalo iray nandritra ny fifampitifirana tao amin’ny fokontany Ambohidranomanga, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly hariva. Nifanehatra tamin’ireo zandary notarihin’ny CB Ambatomirahavavy ny dahalo telo lahy nitondra omby. Vao nahita ny zandary anefa izy ireo dia nitsoaka avy hatrany sady namoaka basy. Raikitra teo ny fifampitifirana. Vokany, maty […]
Talatamaty : jiolahy 9 mpangalatra moto voasambotra
Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto tetsy Talatamaty, afakomaly. Efa fikambanan-jiolahy mihitsy ireto saron’ny zandary miasa eny anivon’ny borigadin’i Talatamaty ireto. Jiolahy 9 noraisim-potsiny niaraka tamin’ny moto efatra nangalarin’izy ireo, taorian’ny fanadihadiana lalina. Tompona moto iray nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ao Talatamaty fa very moto. Nividy zavatra teo […]
Niasa nandritra ny roa taona…: nankasitraka ny kolonely Wang Tao ny MDN
Nandray ny tomponandraikitry ny fiarovan’ny Masoivohon’ny Repoblika entimbahoakan’i Sina eto Madagasikara, ny capitaine de Vaisseau Major, Zhong Qiliang, noho ny fanendrena azy, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa (MDN), ny zoma teo. Nandritra izany koa no nanaovan’ny tomponandraikitry ny fiarovana teo aloha, ny Kly Wang Tao, rehefa nahavita […]
Sambaina : jiolahy iray tratra saika hamaky EPP
Nikasa haka ny varavaram-by miisa fito sy ny siniben-drano iray, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP), fokontany Mandimbisoa, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manjakandriana, afakomaly alina. Nesorina tamin’ny trano sekoly avokoa ireo varavarana ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nijery ny zava-nisy. Nirifatra nandositra ireo […]