Tranga

Ampasika : jiolahy nitondra sabatra, nifanenjehan’ny polisy

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ! Voasambotry ny polisy, ny alarobia alina teo, teny Ampasika, ny jiolahy iray nitondra sabatra, raindahiny amin’ny fanendahana. Tonga nanatona ny polisy ny vehivavy iray naratra nendahin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Nilaza ity vehivavy ity fa nisy telo lahy nitondra sabatra nanendaka azy. Niroso tamin’ny fanenjehana sy fikarohana […]

Fanendahana mitam-basy : zandary maty voatifitra, very ny 15 tapitrisa Ar

Nirefotra ny basy tetsy Ankasina, lavon’ny olon-dratsy ny zandary iray. Voaroba ny vola an-tapitrisany, ny alakamisy hariva teo. Maty voatifitry ny jiolahy ny zandary iray tetsy Ankasina 67 Ha, afakomaly hariva. Avy nanidy Cash-point, nitondra ny vola tamin’ny sakaosy izy sy ny mpanampiny iray. Nandrasan’ireo jiolahy telo lahy kendry tohana. […]

Natahotra ho tratra… : natsipin’ireo roa lahy ny gony 14 feno rongony

Lehilahy roa tsikaritry ny fokonolona nametraka ireto gony feno rongony ireto. Nampandre ny polisy izy ireo ary eo am-pikarohana ireo tompon’entana. Miparitaka manerana ny toerana maro eto amin’ny Nosy ny zava-mahadomelina. Nisy lehilahy roa, tsy fanta-piaviana, nitondra gony 14 feno zavatra tao amin’ny fokontany Ambalakatsaka, kaominina Ihosy, afakomaly. Tsikaritry ny […]

Ambohitrimanjaka : rotiky ny balan’ny zandary i Mainty

Maty voatifitry ny zandary, ny alarobia alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy vaky trano. Nahazo antso fanairana ireo zandary avy ao amin’ny za­na-tobim-paritra Am­bohitrimanjaka mpanao fisafoana amin’ny alina fa misy andian’olona mampiahiahy mihaodihaody eny amin’ny fokontany Miadana, Am­bohitrimanjaka. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary ka tratra teo am-pianihana […]

Andilamena : dahalo mpaka an-keriny sady mpamatsy basy roa lahy lavo

Nokarohina hatry ny ela! Maty voatifitra ireo dahalo roa lahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy famatsiana fitaovam-piadiana tao Ambatomalama, fokontany sy kaominina ambanivohitra Be­maitso, distrikan’Andilame­na, ny 15 mey teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ io tanàna io izy roa lahy dahalo mpangalatra omby sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo. […]