Hatolotra ny fampanoavana anio ireto mpivady mpanao trafikana héroïne na “Rôrô” ireto. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nahasambotra azy ireo teny Antohomadinika, afakomaly. Voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanapariahana zava-mahadomelina mahery vaika amin’iny faritra 67 ha sy Antohomadinika iny izy mivady ireto. Mitohy hatrany ny famongorana […]
Tranga
Niaraka tamin’ny odibala 7 kg… : ravan’ny zandary ny tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe
Tsy nandaitra ny odibala! Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, amin’ny fandravana ireo tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe. Jiolahy efatra tratra raha roa hafa maty voatifitra… Raha tsy misy ny fiovana, hatolotra ny fampanoavana anio ireo olona voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny […]
Nariany ny vady aman-janany : lehilahy nikasa hanorina fiainam-baovao tamina vola halatra
Fahasahiana tsotr’izao! Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray sy ny sakaizany, 19 taona, izay voarohirohy tamina halatra volabe saika hanorenana fiainam-baovao. Araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ankazomiriotra, nasaina hanatitra vola 7 200 000Ar any Betsoa, distrikan’i Mandoto, ity lehilahy ity sy ny namany iray. Nandeha moto izy ireo ka […]
Ambohimandroso : jiolahy roa lahy lavon’ny bala
Fanafihana tsy tontosa, maty voatifitry ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Tsaratanimbary, kaominina Ambohimandroso, distrikan’ Antanifotsy, ny alahady 14 avrily teo. Naharay loharanom-baovao mahakasika ny asa ratsin’ireo ny zandary ao an-toerana ka nanao ny vela-pandrika niaraka tamin’ny fokonolona. Voasambotra izy roa lahy, nikasa hanohitra. Vokany, raikitra ny fitifirana ka voatifitra ireo […]
Herisetra ara-nofo : naiditra am-ponja ireo roa lahy nanolana “4’mis”
Nalefa eny am-ponja ireo roa lahy nanolana an’i Tolotra kely sy ny zokiny, taorian’ny fampanoavana afakomaly. Voasaringotra tamin’ny fanararaotana ara-nofo nihatra tamin’i Tolotra sy ny zokiny ireo voapanga ireo. “Mbola tsy ampy taona avokoa ireto voarohirohy ireto ka antony nandefasan’ny fitsarana azy ireo eny anivon’ny fonja ho an’ny zaza tsy […]