Lavon’ny tifitry ny zandary ny dahalo roa lahy nangalatra tao Antanamandroso, fokontany Mangatoka, kaominina Mahajamba, ny 29 jona teo. Mpanao fanafihana mitam-basy, efa nahazo entana maro isan-karazany tamin’ny toerana samihafa ireo olon-dratsy ireo. Nanao fikarohana, araka izany, ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona. Niainga avy ao Bepaipaika ireo mpanara-dia ireo ka […]
Tranga
Olana ara-pitiavana: Vehivavy maty nananton-tena
Niady mivady lava! Diso fanantenana tamin’ny fitiavana ny renim-pianakaviana iray ka nisafidy ny hamono tena. Nahantony tamin’ny tady ny tendany, araka ny filazan’ny zandary. Tanora vao erotrerony, maty nananton-tena ny vehivavy iray 20 taona tao amin’ny fokontany Ankobakobaka, kaominina ambanivohitr’i Morafeno, ny zoma 28 jona teo. Tsy nisy nanampo na […]
Ambohitrimanjaka : Jiolahy tratra teo am-pangalarana moto
Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny zandary, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratra teo am-pangalarana moto, tao amina tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy hariva teo. Nipetraka teo an-tokotany ny moto iray ka nidiran’ireo jiolahy ary saika havoakany tao. Tsikaritry ny tompony anefa ny fidiran’ireo olon-dratsy satria […]
Nahazo 24 tapitrisa Ar: Adjidà sandoka tratran’ny zandary
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nisoloky ho mahatafiditra tanora ho mpitandro filaminana, tao Antanakoro, distrikan’i Mananara Avaratra, ny 29 jona teo. Efa nahazo lelavola 24 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ny fisandohana andraikitra izy. Nipetraka tao amin’ny vehivavy iray, tao amin’ny fokontany Androkaroka io lehilahy io, ny avril 2023 lasa teo. […]
Noho ny onja mahery : Zandary roa natelin’ny rano
Mbola tsy hita popoka hatramin’ny omaly hariva, ireo zandary roa lahy niampita lakana. Tra-doza avy namita iraka izy ireo. Niezaka namonjy azy roa lahy ny mpivoy lakana saingy tsy nahatohitra ny onja nisamboaravoara. Zandary roa lahy, avy namita iraka tao amin’ny tanàna tany Ambodiaramy, kaominina ambanivohitr’i Fanasana, no tra-doza afakomaly. […]




