Tranga

Naiditra eny Antanimora : tratra ireo nangalatra fitaovana fivarotana hani-masaka

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’An­tanimora, afakomaly, ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny vaky trano eny Behoririka sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra taminy izay tsy nampoiziny mihitsy. Tsika­ritr’ireo polisy mpanao fisafoana ny fihetsik’ireo jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy […]

Fikambanan’ny Liandra Mahery: tratra ny 11 amin’ireo tovolahy mpanao herisetra ao Toamasina

Ankoatra ireto 11 voasambotra, izay mandrafitra ny Fikambanana Liandra Mahery ao Toamasina ireto, ao anatin’ny fikarohana ny naman’izy ireo ny polisy ao Toamasina. Mbola samy mpianatra ao Mangarano II avokoa… Tohivakana ny fisamborana! Tovolahy ao anatin’ny fahatanorana 11 no indray voasambotry ny polisy tao Mangarivotra Ava­ratra Toamasina, nanomboka ny sabotsy […]

G2C Sedrick : natao veloma ara-miaramila

Nampihetsi-po! Natao, omaly, tao Ambanitsena Am­balavao ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny G2C Se­drick Nantenaina na i Jao. Nitarika izany ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Ambalavao, Ran­dri­a­nirina Yves Georges ary ireo mpiara-miasa aminy. Nana­ovana fotoam-bavaka nitrotroana am-bavaka ny fanahiny tao amin’ny Ekar Md Joseph izy, alohan’ny hanitrihana azy any […]

Fanafihana mitam-piadina : vehivavy iray maty, naratra mafy ny zanany kely

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Agnambia, kaominina ambanivohitra Am­pa­taka, distrika Vangaindrano, ny alahady teo. Niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ny andian-jiolahy. Fito lahy nirongo basy sy zava-maranitra izy ireo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nanampatra herisetra ireto olon-dratsy ka nandratra azy telo […]

Lehilahy voasambotra : saika hividy ordinatera tamin’ny vola sandoka

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Behoririka, afakomaly, ny lehilahy iray nitondra vola sandoka. Raha ny fanazavan’ny polisy, ny 18 marsa lasa teo, tonga tao amina tranombarotra iray eo Behoririka ity lehilahy ity fa hividy ordinatera. Nijery ilay ordinatera izy ka tapa-kevitra fa hividy […]