Tsy nisy aina intsony, lehilahy 23 taona hita faty teny amin’ny fokontany Ambatotokana, kaominina Talatamaty, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo vao maraina ny fisian’io olona io nitsirara tamin’ny tany. Efa niankohoka, navadiky ny nanatri-maso izy saingy efa tsy niaina intsony. Taitra ireo nanatri-maso ka niantso ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]
Tranga
Ambohimanga Rova: mpiambina maty nodarohana tamin’ny biriky
Nofatoran’ny telo lahy sady novelesina tamin’ny biriky ny mpiambina tanàna misy fiompiana kisoa, maty tsy tra-drano, tao amin’ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova. Nofatoran’ny telo lahy sady novelesina tamin’ny biriky ny mpiambina tanàna misy fiompiana kisoa, maty tsy tra-drano, tao amin’ ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova. Hita faty tao […]
Nandroba vola roa hetsy Ar: roa lahy voasambotry ny zandary
Jiolahy roa lahy voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, kaominina ambanivohitra Mahereza, omaly. Nahafantatra ireo olon-dratsy fa irery tao an-trano ny renim-pianakaviana. Nandondona ny varavarana izy roa lahy tamin’ny 11 ora alina. Nisoloky ireo mpandroba. Mody nilaza hanatitra ilay rangahy mamo izay vadin’io ramatoa io ireo roa lahy. Namoha […]
Fanafihana teny Ambohitrimanjaka: jiolahy efatra maty voatifitra
Nifampitifitra tamin’ny polisy, jiolahy efa-dahy lavon’ny balan’ny SAG teny amin’ny Art malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Ravan’ny polisy ny asa ratsy nataona fikambanan-jiolahy teny Ambohitrimanjaka, ny zoma 21 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sag fa misy andian-jiolahy mitam-basy mikasa hanao fanafihana eny amin’ny manodidina ny Art […]
Vono olona: lehilahy maty nokapaina famaky sy voatsatoka antsy
Naratra mafy ny roa lahy ary namoy ny ainy ny namany nandritra ny vono olona tao Tsiroanomandidy. Nandositra avokoa ireo nahavanon-doza. Lehilahy iray voakapa famaky teo amin’ny handriny sady voatsatok’antsy ny tendany, tao Tsararivotra, Fokontany Betaikomby, kaominina ambanivohitra Maritampona, Distrika Tsiroanomandidy, tamin’ny 11 ora maraina teo. Avy namonjy raharaham-panambadiana, nifanehatra […]




