Maty tsy tra-drano ilay mpangala-katsaka matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambositra ny faran’ny herinandro teo. Tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy nefa katsaka babiny roa no tratra teny amin’ity mpangalatra ity. Nentin-katezerana ny olona ka samy nitsaingoka nanala ny hatezerany tamin’ilay jiolahy. Naratra mafy vokatr’izany. Nisy ihany ireo olona nalahelo […]
Tranga
Fanafihana miharo fanolanana : olona efatra voasambotry ny polisy
Tra-tehaky ny polisy ny talata teo avokoa ireo efatra mianadahy voatondro ho nanao fanafihana tetsy Ambohidroa, ny herinandro lasa teo. Ny alahady 19 febroary teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny an-toerana ireto olon-dratsy. Nirongo fitaovam-piadina izy ireo ary nandrahona ny tompon-trano sady […]
Mangarivotra Toamasina: nirefodrefotra ny basy, olona iray maty notifirin’ny jiolahy
Nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray tao Mangarivotra Toamasina ny asabotsy teo, tao Mangarivotra Atsimo, Toamasina. Olona iray maty voatifitra raha iray hafa naratra mafy. Teo amin’ny lalam-pasika mankany Antsarakofafa miditra avy eo amin’ny tobin-tsolika iray ao Mangarivotra no nirefotra tampoka ny basy. Niantefa tany amin’ny raim-pianakaviana roa lahy […]
Miarinarivo : maty ilay mpitondra moto nandona “balise”
Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra moto marika Kymco nifatratra tamina kiady (balise) tao Ambodivoara Igararana, kaominina ambanivohitr’i Miarinarivo II, omaly tamin’ny mitataovovonana (RN1), PK 95+300. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Miarinarivo, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy nahafehy ny familiana […]
Amparafaravola: olona telo natao takalon’aina
Miverina indray ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Amparafaravola. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Morarano chrome, ny zoma teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao an-toerana ny andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika ka nampihorohoro ny tompontrano sady nitady vola. […]