Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikasan-dratsin’ny mpaka an-keriny. Zaza varira iray avotra tao Vangaindrano, afakomaly. Olona roa voasambotra. Avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny zazalahy iray vao 7 taona, tao amin’ny kaominina Anilobe, distrikan’i Vaingaindrano, ny talata 18 jona teo. Nalain’ny dahalo an-keriny teo anatrehan’ny fianakaviany io zaza varira […]
Tranga
Nahatrarana PA sy bala dimy : mpivarotra basy voasambotry ny zandary
Fototry ny tsy fandriampahalemana, nataon’ny zandary hazalambo ka voasambotra ny lehilahy iray mpivarotra fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambonivato, kaominina ambanivohitra Ambodimanga II, distikan’i Fenoarivo Atsinanana. Manoloana ny fanafihana mitam-piadiana mitranga ao amin’io distrika io, namolavola paikady hanatrarana ireo mitam-basy tsy ara-dalàna ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao izy ireo […]
60 lahy nanafika : maty voatifitra i Dadimainty
Dahalo enina lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika nanao hazalambo nandritra ny halatra omby tao amin’ny fokontany Ampilokely, kaominina ambanivohitra Befandriana Atsimo,distrikan’i Morombe, ny 14 jona teo. Anisan’ireo maty voatifitra i Dadimainty. Dahalo 60 lahy indray nanafika tao amin’io tanàna io. Nikasa handroba ny omby rehetra tao am-bala ireo olon-dratsy […]
Notorian’ny tompom-bady: mpisakaiza niara-nidoboka am-ponja
Ela ny ela, nisy tompom-bady sahy nijoro ka nanontsana ny fampirafesana sy fampijaliana natao azy. Raim-pianakaviana iray sy ny sakaizany, izay niterahany roa, no naiditra am-ponja. Naiditra am-ponja, ny alatsinainy lasa teo, ny raim-pianakaviana iray sy ny sakaizany na ny vadikeliny. Notorian’ny tompom-bady izay vita mariazy taminy ilay rangahy. Efa […]
Halatra taolam-paty : Kandidà depiote ao Anosibe an’Ala ahina
Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), kandidà depiote iray ao Anosibe an’Ala no voatonontonona ho tompon’antoka amin’ny vaky fasana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpanao famotorana, nisy halatra taolam-paty tao amin’ny fokontany Niarovana, kaominina Longozabe, tamin’ny zoma alina. Tratra ireo mpamaky fasana […]




