Tranga

Ambatomanga : renim-pianakaviana naratra nodarohan-janany

Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray nahavita nikasi-tanana an-dreniny tao Ambatomanga, ny alatsinainy teo. Nifamaly tamin’io reniny niteraka azy io ny zanany mirahalahy. “Tsy salama saina firy anefa ny zokiny. Nipetraka tsy nanao na inona na inona araka izany izy”, hoy ny fianakaviany. Vokatry ny fifamaliana noho ny fahasimban’ny bisikileta […]

Fivadiham-pitokisana : namidin’ilay lehilahy ny moto namboariny

Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, ilay mpanamboatra moto nivarotra ny entana napetraka taminy etsy Tanjombato, ny desambra lasa teo. Nampanam­boatra moto teo amin’io lehilahy io ny renim-pianakaviana iray. “Nifanaraka izahay fa amboariny ara-dalàna ny moto”, hoy ny tompon’ny entana. Nilaza anefa ilay mpanamboatra fa tsy maintsy mijanona ao aminy ny moto […]

Ankazobe : Lavo i Lako tanan-kavan’ Yarisy

Maty voatifitry ny zandary avy ao Ankazobe, omaly, i Lako. Dahalo raindahiny sy tanan-kavan’Yarisy, isan’ ireo namono olona tao Am­bohitriniandriana, kaominina Ambolotarakely. Tsikaritry ny fokonolona nihaodihaody tao Merinkan­jaka, fokontany Anosikely ity malaso ikoizana ity. Voka­ny, nampandrenesina ny zandary ka niditra an-tsehatra avy hatrany nitady azy. Izy rahateo efa nifampitadiavana hatry […]

Fakana an-keriny: olona dimy naiditra am-ponja vonjimaika

Nanao rodobe manoloana ny Lapan’ny fitsarana, omaly, ny havan’ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato, ny alahady teo. Niakatra fampanoavana tamin’io fotoana io koa ireo voasambotra sy voasaringotra ka nalefa eny Antanimora ny efatra raha eny Tsiafahy kosa ny iray. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ireo olona voarohirohy naka an-keriny […]