Fety tsy ieren-doza. Olona roa maty raha 75 kosa ireo naiditra hopitaly. Adiady sy loza nateraky ny moto ny betsaka amin’ireo… Raha ny tatitra vonjimaika, araka ny antontan’ isa nomen’ny teo anivon’ny sampana vonjy taitra sy ny sampana fameloman’aina eo anivon’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka, olona […]
Tranga
TSELATRA
Jiolahy raindahiny lavon’ny zandary tao Marirano, fokontany Ambodiakondro, kaominina Ambohijanaka, ny alakamisy 28 marsa teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io sy ny namany. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Mpanao taxi-moto maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny tetezan’Ankolomaka, kaominina Talata Miandrandra, distrika Arivonimamo, afakomaly […]
Tao anatin’ny orambe: trano lehibe roa sy kioska fito levon’ny afo
Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao Analankinina akaikin’ny CHU Morafeno, ny alarobia maraina tamin’ny 1 ora sy 50 mn. Tao anatin’ny orambe mikija sy mivatravatra no nitrangan’izany saingy tsy nahasakana ny fijoalajoalan’ny afo. Vokany, lasa lavenona ny entana mitentina an-tapitrisany maro. Trano fivarotana roa lehibe feno entana no sady manao fifanakalozana […]
Rongony mahery vaika : roa lahy nahatrarana « crystal-meth »
Naiditra eny Tsiafahy ny roa lahy nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “crystal-meth” sy bala fampiasa amina fitaovam-piadiana teny Isotry, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Isotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny BC sy ny ekipan’ny SAG. Lehilahy iray voasambotra. Nosavaina ny fiara nentiny ka nahitana ireo balam-basy miisa telo sy karazan-drongony […]
Mbola nahitana vola 1 400 000 Ar : tratra ireo jiolahy namono nahafaty an’i Cynthia tao Toliara
Enina mianadahy voasaringotra tamin’ny fandrobana niharo vono olona tao Toliara renivohitra, ny 26 marsa teo. Nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana izy ireo. Voasambotry ny zandary ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona ka nahafaty an’i Cynthia, ilay tovovavy, mpiasana karana ao Tsianaloka Toliara. Ny 26 marsa 2024 teo ireto andian-jiolahy ireto […]




