Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy efatra, raha eny Antanimora kosa ny vehivavy iray rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona teny Behoririka izy ireo… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto olona dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fanafihana narahana vonoan’olona nahaverezana volabe 136 […]
Tranga
Tsenan’Anosibe : mpangalatra « versement » voafandriky ny mpivarotra
Nampitaraina ireo mpivarotra ao Anosibe ny fisiana jiolahy mpangala-bola tato ho ato. Tapitra very ireo vola matin’izy ireo apetraka ao anatin’ny tsena rehefa alina ka antony nanaovan’ireo mpivarotra velam-pandrika. Raikitra ny fanaraha-maso. Noraisim-potsiny, ny lehilahy iray nitondra fîtaovana hanampitsohany tsena. Niditra avy amin’ny tafo, efa fanaon’ity mpangalatra ity ny mitety […]
Mahanoro : tafihin’ny jiolahy avy any Mananjary
Velon-taraina efa hatry ny ela ny vahoaka ao Mahanoro fa mirongatra ny vaky trano miharo fanendahana an-dalambe hatreny amin’ny trano fandihizana. Manao ny ataony mihitsy ny jiolahy any an-toerana ary tsy mifidy hangalarina intsony izy ireo. Noho izany, nanao izay ho afany ny polisy notarihin’ny kaomisera Tsima Angelo, nanao ny […]
Mpangalatra moto : efa-dahy saron’ny polisy teo am-pivarotana
Ravan’ny mpitandro ny filaminana ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano. Tra-tehaka tamin’ny alalan’ny vela-pandrika nataon’ny polisy ireo efa-dahy mpangalatra moto tao Bazary Be, Toamasina, omaly. Niditra tao amina tranon’ny mpandraharaha iray tao an-toerana, lasan’izy efa-dahy ireo ny moto tamin’ny 2 ora maraina. Nampandre avy hatrany mpitandro filaminana ny tompon’entana very. Natao ny […]
Antanimena : norahonan’ ilay jiolahy ny polisy nisambotra azy
Fahasahiana tsotra izao ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nasehon’ity jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo herisetra tratra teny Antanimena omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena no nahafahana nisambotra azy ity, raha ny fanazavan’ny polisy. Efa narahan’ny polisy avy aoriana ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny izy rehefa tonga […]