Tranga

Fanafihana mahery vaika : Olona 4 natao takalonaina

Lasan’ny dahalo mitam-piadiana ny vehivavy roa sy ny lehilahy roa tao Brieville, Tsaratanàna, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 29 febroary teo. Nentin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana ma­hery vaika an-keriny ny vehivavy roa sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Tom­bo­katsy, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratànana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, […]

67 ha : Vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra teo am-panendahana

Saron’ny polisin’ny UIR Tsaralalana teny 67 ha, afakomaly ireo jiolahy telo niaraka tamina vehivavy iray tompon’ antoka tamina fanendahana. Tokony ho tamin’ny 2 ora ma­raina tamin’io fotoana io, nifanehatra tamin’ireo polisy na­nao fisafoana nivoaka avy ana­ty elakela-trano ireto jiolahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto hamonjy fodiana no nosakanan’izy efatra mianadahy […]

Ady lova tao Vatomandry: hanaovana famotorana indray i Jasmin

Mbola tsy afaka am-bavan’ny rehetra ilay vonoan’olona feno habibiana nitranga tao Vatomandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena Atsinanana, ny kaomisera Rajaobelina Herizo, taorian’ny fampidirana am-ponja ireo telo lahy namono nahafaty ilay renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ny alin’ny 4 febroary 2024 teo, tsy hijanona […]

Fanondranana harem-pirenena: Sokatra roa valizy sarona tetsy Tsarasaotra

Sokatra miisa 147 nokasaina hamidy nogiazan’ny zandary, teny Tsarasaotra, omaly. Ifampitadiavana ireo tompon’antoka. Zana-tsokatra miisa 147 azon’ny zandary teny Tsarasaotra, mihazo ny lalam-baovao mampitohy an’ Ivato, omaly maraina. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny zandary fa misy ny fikasana hivarotra sokatra teo amin’io toerana io. Nidina ifotony nanamarina ny […]