Mirongatra izaitsizy ny fisolokiana avolenta ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Nanome baiko hentitra ny talem-paritry ny filaminana anatiny ao Toamasina, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, amin’ny hanenjehana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izany. Nahitam-bokany izany, araka ny tatitra nampitain’ny kaomisera Ratsimbazafy Tolojanahary Jean Philippe, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niainga […]
Tranga
Analakely: mpivarotra mercure hosoka voasambotra
Mpisandoka nivarotra mercure sandoka tra-tehaky ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP1 tetsy Analakely, ny 28 febroary teo. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy ny ramatoa iray fa lasibatry ny fisolokiana. Naka vola mitentina 27 500 000 fmg tany amin’io renim-pianakaviana io ilay mpisoloky nanomboka tamin’ny taona 2022. Narirariran’ ilay lehilahy hatrany […]
Quartier Cannibale :Tratra ireo jiolahy namono nahafaty teratany vahiny
Saron’ny polisy, afakomaly, ireo jiolahy roa tompon’antoka tamina fanendahana teratany vahiny teny Tanjombato. Notrobaran’ireo olon-dratsy ny antsy ny kibony ka nitarika ny fahafatesany… Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy (BC5) teny Tanjombato, Quartier Cannibale, afakomaly, ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana. Raha ny […]
Toamasina : Jiolahy roa lahy rotiky ny bala
Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisin’ny UIR nanao fisafoana alina ny jiolahy roa lahy nandray anjara tamin’ny fandrobana mpandeha posy tao Tanambao Toamasina, omaly. Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny mpandeha posy iray tao Mangarivotra, tamin’ny 2 ora maraina. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka ireo mpandroba taorian’izay. Nifanakaiky ny biraon’ny polisy io toerana io […]
Andohatapenaka : telo lahy nitam-piadiana lavo
Nifanenjehan’ny polisy, maty voatifitra ny jiolahy iray anisan’ireo nangalatra moto teo Andriantany, lalana mihazo an’i Mahitsy, omaly. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC1 no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy telo lahy. Nosakanan’ireo jiolahy ireo ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Nalain’izy ireo ny moto nentin’io mpandalo io. […]




