Tranga

RN4 : mpangalatra fiara voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 420+200, ny lehilahy iray sy ny fiara halatra, ny 22 febroary teo. Nentin’io mpamily io ny fiara nanomboka ny 21 febroary teo. Nitsena ny zanaky ny mpampiasa azy io lehilahy io ary tsy hita intsony taorian’izay. Tsy tratra antso, izy izay […]

Fieferana : mpianatra roa lahy nilatsaham-potaka

Zaza roa lahy niara-maty tao Fieferana, omaly. Nilatsaham-potaka tampoka izy roa lahy. Maty tsy tra-drano nilatsaham-potaka ny zaza roa 6 sy 8 taona tao amin’ny kaominina Fieferana, distrika Avaradrano, omaly. Niverina avy tany amin’ny trano famanizana ireo zaza ireo. Nivatravatra ny kotro-baratra tany amin’io kaomi­nina io, omaly. Nivoaka na­monjy ny […]

Andohalo : mpanendaka tratran’ny polisy

Nifanenjehan’ny polisy, voasambotra teny Andohalo, ny 24 febroary teo tamin’ny 4 ora tolakandro. Vehivavy iray nandalo no lasibatr’io tontakely io. Lasany ny findain’io mpandalo io. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Nahare ny zava-nisy, nanara-dia ilay mpanendaka ny polisy niasa tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fanendahana. Tratra ilay lehilahy. Nalaina […]

Lycée Ankadikely Ilafy: mpianatra 10 vavy torana tao an-tsekoly

Ankizivavy am-polony niara-torana tampoka taorian’ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo tetsy amin’ny Lycée Moderna Ankadikely Ilafy, omaly. Azon’ny tsy fahasalamana tampoka izy ireo. Fito vavy, mpianatra amin’ny taona faharoa no niaraka nihetsika tampoka ny aretiny. “Tratrin’ilay aretina Spasmophilie ny dimy tamin’ireo mpianatra ireo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy ny fanazavan’ny talen’ ny […]