Tranga

Nikendry teratany vahiny : mpaka an-keriny telo maty voatifitra

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, jiolahy telo nikasa haka an-keriny teratany vahiny lavo teny Ambohibe, kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly alina. Nanohitra mpitandro filaminana hisambotra azy, namoy ny ainy avokoa ireo jiolahy rain-dahiny telo tratra teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Anka­dikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahare olona niteny: Mijanonà intelo izahay tato an-trano tamin’ny 12 […]

Noho ny loza tato ho ato…: nampianatra ireo mpitondra moto indray ny polisy

Nirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Lohalaharana amin’izany ny moto. Manoloa­na izany, nanatanteraka fanentanana manokana tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa teny amin’ny « rond point » Ankasi­na, ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana na BAC (Brigade des accidents de la circulation) eny Tsaralalana. Nandray ny andraikiny manokana, araka izany, ity sampana iray […]

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy telo maty voatifitra

Nifamaly tifitra tamin’ny mpitandro filaminana, namoy ny ainy ny jiolahy telo lahy, tamin’ireo nanafika tao Soanarivo, kaominina Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny zandary fa nitrangana fanafihana tao amin’io fokontany io tamin’ny 8 ora alina. Nanao ny paikady hanatrarana ireo olon-dratsy ireo ny mpitandro filaminana. Nandrindra izany ny lefitry […]

Delege naiditra am-ponja : namono olona tamin’ny vy mahamay

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, omaly ny delegen’ny boriborintany ao amin’ny kaominina Andasibe Vavatenina. Tompon’antoka tamina raharaha vonoan’olona feno habibiana izy… Votoatin’ny fiampangana ity delegen’ny boriborintany ao amin’ny kaominina Andasibe, distrikan’i Va­vatenina, ity ny vonoan’olona feno habibiana, fanararaotam-pahefana tsy rafesi-mandidy ary fandosirana sy fandavana fiantsoana nataon’ny zandary. Vao […]