Tranga

Fanondranan’olona antsokosoko: olona valo naiditra am-ponja

Ravan’ny zandarimariam-pirenena ao Nosy Be ireo andian’olona saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Mbola misy ireo karohina sy voasaringotra amin’ity raharaha ity. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotry ny zandarimaria tao Nosy Be raha saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Voasam­botra ny 14 janoary teo izy ireo […]

Etrotroka-Farafangana: trano 62 hotohoton’ny afo

May tsy nisy noraisina ireo trano 62 tafo tao amin’ny fo­kontany Etrotroka, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alakamisy 19 janoary teo. Tokantra­no iray an’ny ramatoa tokan-tena no nipoiran’ny afo. Niita­tra izany ka nandoro ireo trano sa­sany niaraka tamin’ny bi­raom-pokontany. Vokany, to­kan­trano 47 misy olona 237 traboina. Nifarimbona namono ny afo ny […]

Ambilanibe : jiolahy tratra nanosika moto halatra

Tratra teo am-panosehana moto halatra teny Ambilanibe ny jiolahy iray. Ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, Tsaralalana no nahasambotra azy ny asabotsy teo. Tsikaritr’ireo olona miasa manoloana ny tobin-tsolika iray eo Ambilanibe ny fihetsika hafahafa sy kaodikaody nataon’ilay jiolahy teo am-panosehana moto. Tsy vitan’izay fa mitoditodika sady mijery […]

Tsikaritry ny mpaka kitay: fasana iray vaky, taolan-paty 24 tsy hita

Norobain’ny olon-dratsy ny taolam-paty tao amina fa­sana iray anatin’ny tanànan’i Vohidava, anatin’ny fokontanin’i Fenoarivo, kaominina Ambatomainty, distri­kan’Ika­lamavony ny sabotsy 21 janoary teo. Mpaka kitay sendra nandalo no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Nata­hotra, niantso ny manodidina sy ny lehiben’ny fokontany izy. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny […]

Nampikaikaika ny maro : jiolahy roa tratran’ny polisy teny Ankadimbahoaka

Hatolotra ny fampanoavana anio ireo jiolahy roa voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora teny Fasika Ankadimbahoaka, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny amin’iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina iny ry zalahy ireo. Maro ireo fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ny jiolahy manao ny asa ratsiny […]