Tranga

Andranomanelatra – Antsirabe: Kamiaobe nahatrarana rongony 50 kitapo

Saron’ny zandary misahana ny fifamoivoizana An­tsirabe tao Andranomanelatra, omaly, ireo rongony 50 kitapo, milanja 488 kg. Niainga avy any Ankily, Ihosy ireto entana ireo ka voasakan’ny zandary tao Mahandraza Andranoma­nelatra, Antsirabe II (RN7 PK 147). Nafangaro tamin’ny gony an-jatony misy eladrano (mica) ireto zava-mahadomelina 50 gony ireto. Notsindrina sy nafenina […]

Fakana an-keriny : miaramila sivy, ben’ny Tanàna roa voarohirohy

Niakatra fampanoavana, omaly, ny miaramila sivy (Tafika sy zandary). Voarohirohy miaraka amin’ny ben’ny Tanàna roa tamin’ny raharaha fakana an-keriny ao Ankazobe izy ireo. Heloka anenjehana ireo voarohirohy ireo ny firaisana tsikombakomba sy mpamatsy bala ireo dahalo mpaka an-keriny ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Araka ny fanazavan’ny lehi­ben’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana, […]

Tsiroanomandidy : dahalo tratra tao anaty taksiborosy

Saron’ny polisy ny dahalo iray malaza ratsy amin’ny fanafihana sy fitazomana basy sy odiratsy tao Vohilava Andra­nomadio, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alatsinainy teo. Teo am-pisavana ireo taksiborosy amin’ny zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy Tsiroanomandidy no nahatrarana ity dahalo ity niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Teo am-pisavana ny fiara, nampiahiahy ny fihetsiny ka nahatonga […]