Tranga

Anjozorobe : mpaka an-keriny telo lahy rotiky ny bala

Tratra ihany ny lehiben’ny dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Niara-namoy ny ainy izy sy ny namany roa lahy. Nokarohina hatry ny ela, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao hetsika manokana tao amin’ny fokontany Ambo­hitsoa, kaominina Bero­nono, distrikan’Anjozorobe, i Leba, mpitarika dahalo, afakomaly. Ikoizana amin’ny halatra omby sy […]

Ampandrana : lehilahy namono tena rehefa avy nanindrona antsy ny sakaizany

Renim-pianakaviana iray hita faty nihosin-dra notsatohan’ny sakaizany antsy teo ambony fandriana teny Ampandrana, omaly maraina. Namono tena koa ilay lehilahy taorian’izay. Tokantrano iray nihosin-dra, omaly tamin’ny 7 ora maraina, teny amin’ny fokontany Ampandrana. Renim-pianakaviana iray no maty notsatotsatohan’ny sa­kaizany antsy teo ambony fandriana. Namono tena koa ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity […]

Fipoahana herinaratra : mpianaka niara-maty kilan’ny afo

Niezaka hanavotra ilay menaky ny ainy, maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany tao Tana­makoa 12/14, Toamasina, afakomaly alina. Nirefotra tampoka ny kaonteran-jiro, araka ny nambaran’ny fokonolona. Efa tafavoaka ny trano ilay vehivavy renin’io zazalahy kely io. Niredareda tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Nikiry niverina hamonjy ilay zanany anefa io renim-pianakaviana […]

Ambohidratrimo : mpivarotra rongony naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana omaly, naiditra am-ponja eny Antanimora ny vehivavy sy lehilahy iray voasambotra tetsy Ambohidratrimo. Malaza ratsy ho mpanaparitaka io karazan-java-mahadomelina io izy roa ireo. Nanao fidinana ifotony ny zandarimaria miasa ao an-toerana ary natao ny fisavana ny 10 desambra teo. Tratra tao amin’ireto mpivarotra ireto ny fonosana rongony mitotaly […]

Tsy fandriam-pahalemana : dahalo enina maty, iray azo sambo-belona

Mahery vaika ny fifandonana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo any amin’ireo faritra voasokajy ho mena manerana ny Nosy. Dahalo enin-dahy maty voatifitra ny alin’ny alatsinainy 11 desambra teo. Manoloana ny halatra omby miseho lany, da­halo enina raindahiny lavon’ny mpitandro filaminana, ny alin’ny 11 desambra teo. Distrikan’i Mandoto, Antsa­lova sy hatrany […]