Tranga

Brickaville : Trano 34 nirehitra, olona 149 tsy manan-kialofana

An-tapitrisa maro indray levon’ny afo nandritra ilay hain-trano goavana tao Brickaville, omaly maraina. Fianakaviana 68 tra-boina. Nijoalajoala ny afo tao amin’ny renivohitr’i Brickaville, omaly tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Nitrangana hain-trano goavana tao an-toerana, tsy lavitry ny toeram-pivarotana satra. Vokany, trano 34 indray kilan’ny afo, trano 10 hafa kosa […]

Ambalavao : taolam-paty 56 lasan’ny jiolahy

Noraofin’ny olon-dratsy indray ny taolam-paty tao Antsifotra, fokontany Vohi­trarivo, kaominina Manam­pisoa, distrikan’Ambalavao, omaly. Naharay antso ny ben’ny tanàna ao an-toerana fa nitrangana vaky fasana anatin’io fokontany io. Ni­antso ny manam-pahefana, nidina nijery ifotony ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra. Nisokatra sy nakorotan’ireo tsivalahara ny fasana. Natao ny fanadihadiana ny tompom-pasana ka 56 […]

Kamiao tra-doza : olona iray naratra mafy teny amin’ny RN7

Nentina novonjena eny anivon’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa ny mpamily mpanampy ny kamiao lehibe iray tra-doza tao amin’ny fokontany Volamena, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina teo amin’ny PK 396+400, omaly alahady. Noho ny olana teo amin’ny hisatra, nifatratra tany amin’ny tokantrano iray ilay kamiao.Tsy tafarin’ny mpamily intsony ny fiara ka nivadika teo […]

Filoha Rajoelina: nanome fanalefahan-tsazy ireo voafonja

Nisongadina nandritra ny kabary famaranana ny taona 2022 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja. Toy izao ny fitsinjarana izany, araka ny fanazavan’ny Filoha. Ho an’ireo nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny dimy taona no ho midina dia hahazo fanalefahan-tsazy eo anelanelan’ny telo volana ka hatramin’ny valo volana. Ireo […]

Nambanana basy : mpivarotra voaroba 1 600 000 Ar

Lasan’ny jiolahy enin-dahy nitam-basy ny vola mitetina 1 600 000 Ar tao amin’ny fokontany Namorona, kaominina Anosiparihy, distrikan’i Mananjary, ny zoma 30 desambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsenambarotra, nandroaka ny entana toy ny sakafo sy ny zava-pisotro misy alkaola ireo olon-dratsy. Nambanany tamin’ny basy ny tompon-trano ka tsy afa-nanao inona. Nirifatra nandositra […]