Tranga

Vonoan’olona tao Anjeva Gara : Matoky ny fitsarana ny fianakaviana

Hiakatra fitsarana rahampitso ao amin’ny efitrano fitsarana raharaha ady heloka bevava, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka Anjeva Gara, ny talata 18 avrily 2023 teo. Renim-pianakaviana iray mpandraharaha no niharan’ny vonoan’olona. Olona 11 ireo voampanga. Anisan’ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany ny vadiny. Torak’izany ny vehivavy iray, […]

Itaosy : lehilahy maty voatsatok’antsy

Lehilahy iray vao erotrerony hitan’ny fokonolona nihosin-dra nitsirara tamin’ny tany tao amin’ny fokontany Am­bohi­janamasoandro Itaosy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony io lehilahy io ary nihohoka. Voaletra antsy teo amin’ny ambavafony io lehilahy io. Mpandalo vao maraina no nahatsikaritra ny fisiany ka nampandre avy hatrany ny manodidina. “Tsy mbola misy […]

Soamanantombo ; tratran’ny zandary ireo mpangala-jaza

Azo teny am-pelatanan’ireo mpangalatra i Mahery, ilay zazalahy vao herintaona nangalarin’olona ny 1 desambra 2023 lasa teo, teny Soamanantombo. Nangataka vola mitentina 7 hetsy Ar ho sandan’ny famotsorana azy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany anefa ireo mpangala-jaza. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny zandary afakomaly. Tratra tao amin’ny fokontany […]

Mpaka an-keriny an-jatony : mihorohoro Ankazobe !

Nahoraka tao anatin’ny distrik’Ankazobe omaly, ny feo mahakasika ny fisian’ny adian-jiolahy misy mpikambana 30. Mihorohoro ny mponina ka miverina matory any an-tsaha. Tsy milamina ny ao Ankazobe ! Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny mpaka an-keriny ny mponina. Voatery mitsoa-ponenana aty an-drenivohitra izay marefo. Mijanona an-tanàna fa mandry an-tsaha kosa amin’ny alina […]

VOLA SANDOKA : jiolahy roa nahatrarana vola 1 080 000Ar

Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ireo jiolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1 080 000Ar tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milanoa, distrikan’i Vohémar, ny 29 novambra 2023 teo. Mampitaraina ny mponina ny fisian’ireo vola sandoka miparitaka ao amin’ ity kaominina ity ka antony nahatonga ny zandary nanao hetsika manokana hamongorana sy hikarohana ireo […]