Tranga

Kamiaobe nivadika…: olona efatra maty voatsindrin’ny entana

Olona efatra indray maty vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ambatolampy, fokontany Morarano, kaomi­nina ambanivohitr’i Saroba­ratra, distrikan’i Tsaratanana RN33A, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Teo amin’ny 2 km mialoha amin’ny lalana mihazo an’i Tsaratanana no nitranga ny loza. Kamiaobe iray mpitatitra vokatra mampitohy an’ Ambondromamy sy Tsarata­nana ity namoa-doza ity. Feno […]

Mpanao fanafihana, mpaka an-keriny… : maty voatifitry ny zandary tao Andilamena i Thierry

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana tao Andilamena, afakomaly, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Rakoto­velo Samuël Thierry na i Thierry. Tompon’antoka tamina halatr’omby tao amina fokontany Tsaratsabo, kaominina ambanivohitr’i Tanananifololahy, ny taona 2016, ity dahalo ity. Nambaran’ny zandary fa lehiben’ny tambajotran-jiolahy mpampihorohoro efa nigadra izy saingy nanohy ny […]

Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Rotiky ny balan’ny polisin’ny Fip i Mosa sy i Sambo

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano ao Toamasina, omaly. Ankoatra ireo azo sambo-belona, jiolahy enina hafa karohina. Nihorohoro ny mponina tao amin’ny fokontany Tanamborozano Parise­la 22/31, carreau faha-7 manamorona ny lakandranon’i Pan­galana, omaly vao maraina. Tokantrano maromaro no na­hazo fandrahonana nataona andian-jiolahy. Tonga […]

Hanoro ilay toerana misy lohan’olona : dahalo roa maty rotiky ny balan’ny zandary

Dahalo maromaro no voarohirohy tamina trangana fanapahan-doha nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Vondro­zo, ny herinandro teo. Roa tamin’ireo dahalo voasambotra no niaiky fa nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana na­hatapahan-doha ny renin’ny lefitry ny sefo fokontany Miari­narivo Andoharano, distrikan’i Vondrozo. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa misy lavaka lehibe iray akaikin’ny renirano […]