Tranga

Raharaha Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty : naiditra am-ponja ilay mpampiasa azy

Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ilay rangahy nampiantrano an’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty, andro vitsy lasa izay. Nalefa am-ponja vonjimaika ihany koa ny mpamily taksiborosy tsy nanana taratasy mazava nitondrana ny razana. Hotsaraina ny alarobia 25 janoary izao ny raharaha momban’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty […]

Toamasina : miparitaka ny basy, afenina ny valanaretina

Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’ ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka… Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny […]

Befandriana Sud : roa lahy nahatrarana vola sandoka 1 tapitrisa Ar

Mpanaparitaka vola sandoka roalahy indray no voasambotry ny zandary tao Befandriana Sud, anatin’ny distrikan’i Morombe, afakomaly. Nanatona “cash-point” iray tao an-toerana ny iray tamin’izy mirahalahy ireo. Nilaza arak’izany ity farany fa handefa vola mitetina 1 tapitrisa Ar. Tsy nisalasala ilay mpisoloky namoaka ny vola teny aminy. Teo am-panisana ny vola […]