Tranga

Andohanimandroseza: Adjidà ny iray amin’ireo dimy voasambotra

Tafakatra dimy mianadahy ireo voasambotry ny zandary voasaringotra amin’ny asan-jiolahy tetsy Andohanimandroseza, omaly. Mpitandro filaminana am-perinasa ny iray amin’ireo olona dimy voasambotra momba ny raharaha tetsy Andohanimandro­seza, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Anala­man­ga, ny Kly Tojo Raolijon, tetsy Ankadilalana, omaly. Anisan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny raharaha maloto nataon’ireo dimy lahy namany izay efa lavo ny talata teo io […]

Vaky trano narahina fanolanana : raim-pianakaviana iray voaheloka mandra-pahafatiny

Navesatra ny didy navoakan’ny mpitsara eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava tao anatin’ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, ny 21 novambra 2023 teo. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny i Younous Michou, raim-pianakaviana 41 taona. Niakatra teo anivon’ity sampam-pitsarana ity ny antontan-taratasin’ ady laharana faha 88-Toa/23-2845-RP/22 momba ny raharaha vaky trano […]

Tsy fandriampahalemana ao Melaky : dahalo 15 maty voatifitra, omby 20 tafaverina

Niampatrampatra ny fatin’ny dahalo voatifitry ny mpitandro filaminana tany Tsiazona­loka, fokontany Ambavanina­ra, kaominina ambanivohitra Marotsialeha, distrika Amba­tomainty, faritra Melaky, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ny dahalo am-polony nitondra fitaovam-piadiana. Naka omby 20 izy ireo ary nitsoaka nandositra. Nahare io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro […]

Nanao fitsaram-bahoaka : mpivady karohin’ny polisy fatratra

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy, 38 taona, mpangalatra mangahazo, ny talata lasa teo. Ifampitadiavan’ny polisy ny mpivady, lasibatry ny halatra saingy nahafaty olona. Matin’ny daroky ny tompon’ny mangahazo nan­galariny ny lehilahy 38 taona, ny talata 21 novambra teo. Tao Ambato­lampy, kaominina ambanivohitra Amberomanga, distri­kan’Itasy no nisehoan’izany. Tratra ambodiomby izy ka nanamparan’ireto […]

Raharaha Andohanimandroseza : fiaram-panjakana ilay voatifitra, tale tao amin’ ny Instat ny iray maty

Miandry ny tatitra ofisialy mahakasika ny fifampitifirana teny Andohanimandroseza ny mpanara-baovao. Tsy mbola misy ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Milaza ny tomponandraikitra fa ana­tin’ny famotorana tanteraka, mandrak’alina. Etsy ankilan’izay, ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera no namoaka fa fiaram-panjakana ilay rotiky ny bala. Ora vitsy taorian’izay, namoaka fa­nambarana ny teo anivon’ny […]