Voasambotry ny zandarimaria ireo dimy lahy tompon’antoka tamin’ny halatra fiara tsy mataho-dalana teny Ivato, ny 5 janoary teo. Naharay fitoriana avy tamin’ny tompon’ny fiara marika “Toyota Land Cruiser” ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola, tamin’io andro io. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa fantatra ny toerana nahitana farany ny […]
Tranga
Nandritra ny taona 2024: nahatratra 25 ny tranga fakana an-keriny
Tsy mety ho foana, 25 ny tranga fakana an-keriny niseho nanerana ny Nosy, ho an’ny taona 2024. Nahitana fihenana izany satria 60 ireo lasibatra ho an’ny taona 2023. Mitohy ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manoloana ny tranga fakana an-keriny. Ho an’ny taon-dasa 2024, olona 25 nalain’ny dahalo natao takalonaina. […]
Nifanenjehin’ny UIR: jiolahy dimy maty voatifitra
Jiolahy dimy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Mahajanga tampon-tanàna lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Manoloana ny tsy fandriampahelamana niseholany tao amin’ny fokontany maromaro ao an-toerana, niara-niasa ny polisim-pirenena sy ny mponina. Nanao fisafoana tampoka teny amin’ny Gradin Mahavoky ny solontenan’ny polisin’ny UIR. Nifanena tamin’ny olon-dratsy izy ireo. […]
Mpivarotra solika hosoka: roa lahy tratran’ny zandary tao Toamasina
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Toamasina, ny 13 janoary 2025 hariva, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanamboarana sy fivarotana solika mitapoka asidra. Teo am-panaovana izany, tao amin’ny fokontany Mangarano, miaraka amin’ ireo fitaovana fampiasan’izy ireo no tratra izy roa lahy ireto. Nahitana solika […]
19 taona nanolanana an-janany: mpanao baolina malaza naiditra eny Tsiafahy
Nalefa eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nanolana an-janany vavy tetsy Ampasamadinika. Niharan’ny herisetra nandritra ny 19 taona io zanany io saingy izao vao nisy sahy nitoroka. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay mpihira sady mpanao baolina malaza eto an-toerana hatrany ampitan-dranomasina. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 janoary teo izy. Naiditra vonjimaika […]