Tranga

Mahatazana – Andilamena: Telo lahy nahatrarana taolam-paty 20 gony

Taolan-dava miisa 822 be izao no saron’ny polisim-pirenena tao amin’ny tanàna Mahatazana kaominina ambonivohitr’ Andilamena, ny alin’ny alatsinainy 18 mey hifoha talata teo. Tratra niaraka tamin’ny andian-jiolahy mpamaky fasana, telo lahy, izany. Raha ny angom-baovao, araka ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny komiseran’ny polisy ao an-toerana, misahana ny filaminana anatiny, Randria Albert. […]

Analefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana : Alàna ireo fiara sy moto mijanona amoron-dalana

Nanatanteraka fivoriana tetsy anivon’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo, omaly, ireo tomponandraikitra eo ani­­von’ny kaominina Antana­na­rivo sy ny polisim-pirenena ary ny solontenan’ny mpampiasa lalana. Niarahan’ny re­hetra nanapa-kevitra mba ha­natsa­rana sy hanafoanana sy hanalefahana tsikelikely ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’ny nodinihina nandritra izany, ny firosoana amin’ny fanesorana ireo fiara sy […]

Toamasina : Mirongatra ny asan-jiolahy

Lasan’ny olon-dratsy ny moto miisa roa nandritra ny fizaram-bola nataon’ny Fid tao Toamasina Renivohitra, afakomaly. Vao avy nahazo vola, olona iray norobain’ny jiolahy. Ankoatra io, nitondra moto, renim-pianakaviana iray norobain’ireo olon-dratsy ka lasa ny vola mitetina 280 000 Ar sy ny moto nentiny, tamin’ny 1 ora tolakandro. Tsy nisy afa-nanao na […]

Kolikoly sy fanararaotam-pahefana : Depiote sy ben’ny Tanàna, sefo fokontany migadra

Migadra roa taona an-tranomaizina ny ben’ny Tananan’Ambohibao teo aloha, Lalaina Valisoa. Nalefa eny Antanimora i Rafanomezantsoa Jean Nirina (Hafari). Eny Imerintsiatosika kosa Raholdina Naivo. Olana momba ny tany avokoa no iampangana azy ireo. Namoaka ny didy ny mpi­tsara avy eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ka nanasazy roa […]

Telo mianaka nolerana antsy: Voasambotra ilay nahavanon-doza

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ny renin-janany sy ny zanany vavikely miisa roa, tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina Maha­janga. Nisaraka nandritra ny efa-bolana izy mivady ka nifindra nonina tany amin’ny rahavaviny ilay renim-pianakaviana sy ny zanany, hoy ny loharanom-baovao. Tonga tampoka tao amin’io trano nisy […]