Tranga

Fiara nivarina tany anaty rano : Lehilahy roa namoy ny ainy tetsy Tsarasaotra

Nahitana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, fokontany Sampanana Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina tamin’ny 11ora alina mahery tany ho any. Olona nandalo no nahita ny tranga ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nampakatra ny fiara sy nikaroka ireo olona tao anatiny ny mpamonjy voina. […]

Lozam-pifamoivoizana teny Nanisana: Nitolo-batana eny amin’ny polisy ilay mpamily

Atao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny teratany Indianina nitondra fiara tsy mataho-dalana nandona olona teny Nanisana, ny sabotsy 04 jolay teo. Nipa­ritaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny lehilahy iray nihoson-dra voalaza fa nodomin’ny fiara 4×4 miloko mena teny Nanisana, boriborintany fahadimy, ny sabotsy lasa teo. Nifamonjen’ireo nanatri-maso io olona […]

Antohomadinika : Nitokona ny mponina

Nilanja sorabaventy ireo mponina eny amin’ny fokontany Antohomadinika Atsimo, boriborintany voalohany, omaly. Nitsipaka ny fametrahana ny sefo fokontany vaovao izy ireo. « Tsy manaiky filoham-pokontany vaovao izahay. Aleo fidiana izay hitantana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitokona teny an-toerana. Manohana hatrany ny sefo fokontany teo aloha ireo nilanja sorabaventy, araka ny angom-baovao. […]

Voalaza ho nangala-jaza : Vehivavy iray voasambotry ny fokonolona tetsy Ankaditoho

Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ny vehivavy iray, voalaza fa saika nangala-jaza, omaly atoandro tetsy Ankaditoho Tsimbazaza. Tonga nisambotra azy sy nitondra azy niatrika fanadihadiana ny polisy taorian’izay. Misesisesy ny fahatrarana olona voalaza ho mpangala-jaza tato ho ato. Taorian’ny fisamborana vehivavy iray, voampanga ho nangala-jaza tetsy Ilanivato, ny sabotsy teo, vehivavy iray […]