Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana. Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinandriana, kaominina Mahitsy, ny […]
Tranga
Raim-pianakaviana namono tena : Mpianaka niara-maty voahitsaky ny kamiaobe
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Niseho teo amin’ny amin’ny toerana antsoina hoe : Andriaka, tsy lavitra an’Anjiro, distrikan’i Moramanga ny loza. Moto iray notaingan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana iray teny an-toerana. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Moramanga ilay […]
Fisotroana toaka : Lehilahy iray maty tampoka
Mirongatra ny trangam-pahafatesana tampoka eny rehetra eny, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly bé Toamasina. Anisan’izany, ny raim-pianakaviana iray 45 taona izay nitsirara tampoka teo amin’ny tsenan’ny Valapinson ny zoma 15 mey lasa teo. Nilaza ho mangetaheta ary nangataka rano ho sotroina ity lehilahy ity. Naka malomaloka izy […]
Asan-dahalo : Ankizy varira maty notapahin-doha
Ankizy lahy, 13 taona, manana toe-tena varira no maty notapahin-doha tany Antananivony, Marovoay, ny sabotsy alina teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny lohany. Tsy mbola misy tratra ireo nahavanon-doza. Tsy fandriampahalemana, mirongatra ny famonoana sy fanapahan-doha zaza varira eto amin’ny Nosy. Lasibatry ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny ankizy lahy, 13 […]
Mpandraharaha notifirin’ny mpamiliny : Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo, ilay lehilahy voarohirohy nitifitra nahafaty ny mpampiasa azy, tetsy Ambohibao, ny zoma 1 mey 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, tamin’io andron’ny alarobia io. Efa amam-bolana maro no nanomanany iny vono olona mahatsiravina iny ka […]




