Valin-kafatra. Nitondra fanazavana manoloana ny fitakiana ny fisotroan-dronono sy fanomezana fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana ny minisiteran’ny Foloalindahy, omaly, tao Antsirabe. Nitondra fanazavana sy niantso fifanatonana ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina. « Tsy ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany ary tsy zon’izy ireo », hoy izy. Notsiahiviny fa nanome tambiny ny mpiasam-panjakana ny […]
Tranga
Fiara nivadibadika : Olona roa maty, sivy naratra mafy
Nivadibadika ny fiara mpitatitra olona iray, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Sivy hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana, nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena fahafito, omaly maraina tamin’ny 3 ora […]
Iavoloha : Vehivavy voaolana hita faty tanaty kininina
Nofatorana tamin’ny akanjo teo amin’ny tendany, naolana ary nariana tao anaty ala kininina ny tovovavy iray hita faty teny Iavoloha, kaominina Andoharanofotsy, distrikan’ Atsimondrano, afakomaly. Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary miasa ao an-toerana, ny 19 mey teo, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Misy olona tsy […]
Cash point voatafika : 8 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voasambotra
Niharana fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy iray mitazona Cash point tetsy Andraharo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Hiditra hiasa maraina toy ny mahazatra izy no nisy lehilahy miisa dimy, nirongo fitaovam-piadiana nanambana azy tamin’ny basy sy antsy. Nosintomin’izy ireo, tamin’izany, ny kitapo iray feno vola mitentina 8 tapitrisa Ariary, […]
Mamo mitondra moto sy fiara : Tafakatra 40 mahery ireo namoy ny ainy
Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana ny hamamoana. Mahatratra 40 mahery ireo maty teto Analamanga, tao anatin’ny dimy volana. Hidina ifotony, hanamafy ny fisorohana izany, ny polisy. Tafakatra 40 mahery ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amin’ny Faritra Analamanga, nanomboka ny volana janoary 2026 hatramin’ity volana mey ity, raha ny […]




