Tranga

Ambositra : mpivarotra roa maty, jiolahy roa lavo

Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany sy kaominina Fahizay, distrikan’Ambosi­tra, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Notafihana andian-jiolahy nirongo basy tamin’izany ny mpivarotra iray eo an-toerana. Vokany, maty voatifitr’ireo mpandroba ny ra­matoa tompona tsena sy ny le­hilahy iray hafa namonjy voina. Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra sy ny entana maro. Raikitra […]

Famonoana karana : maty voatifitra teny Tsiadana i Davida be

Lavon’ny polisy, omaly teny Tsiadana, i Davida be, jiolahy isan’ireo nanafika sy namono teratany karana iray tetsy Be­horirika, ny herinandro teo. Hita tamin’ny “caméra de surveillance” an’ireo voatafika ny endrik’ity jiolahy ity ka nanamora ny fikarohana azy, hoy ny loharanom-baovao iray. Araka izany, fantatra ny mombamomba azy ka notadivina izy. […]

Halatr’omby : tompon’ omby sy jiolahy iray maty voatifitra

Notafihan’ny jiolahy ny to­kantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Vo­­himary Atsimo, Distrikan’i Vondrozo, afak’omaly. Voatifitr’ ireo dahalo teo amin’ny tratrany havanana ny tompon’omby ka maty ary lasan’izy ireo ny omby miisa telo. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana taorian’izay. […]

Ambohimahasoa : fiara 4×4 latsaka tany anaty hantsana, olona iray maty

Olona iray maty, telo naratra mafy! Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimahasoa, omaly. Fiara 4×4 iray latsaka tany anaty hantsana. Nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), tao Ialatsara, fokontany Ampa­nidinana, kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambo­hi­­ma­ha­soa; PK 345 +700, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Raha ny […]