Jiolahy mitam-piadiana efa-dahy indray lavon’ny mpitandro filaminana teny amin’ny kaominina Alasora, ny alin’ny talata 31 oktobra teo. Nirefodrefotra ny basy teny Ankona, kaominina Alasora, afakomaly alina. Jiolahy dimy lahy nifanandrina tamin’ny polisim-pirenena. Manoloana ny asan-jiolahy miseholany eto an-drenivohitra, nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireto olon-dratsy […]
Tranga
Nampangain’ny kapa sy ny valizy: jiolahy namono nahafaty ny mpampiasa azy
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, omaly, ireo jiolahy telo tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana. Ny 26 oktobra 2023, vehivavy iray no niharan’ny vonoan’olona feno habibiana tany amin’ny faritra Sava. Lasa nilefa nihazo ny kaominina Sahasinaka avy hatrany ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nahazo fampitam-baovao momba izany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]
Resin-tory tao anaty ala : dahalo maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanandrinan’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao Lavaha Tsararano, kaominina Manambidala Vondrozo, ny sabotsy 28 oktobra teo. Nitrangana halatra omby tao amin’ny tanàn’Andranolava, kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo ny alakamisy 26 oktobra teo. Nanara-dia ny fokonolona ka tratra tao amoron-dranon’i Manampatra, ny dahalo iray […]
Hazo mivoa-dra : zaza roa taona namoy ny ainy tany Antalaha
Tsy mampino ! Raim-pianakaviana nanapaka hazo masina mandeha ra no namoy ny zanany vavikely. Voalaza fa nanangatra ity farany, ka nilaza fa mbola hisy olona fito hafa ho faty ! Mbola misy ireo hazo masina sy tany manan-kasina any amin’ny faritra sasany ! Nitrangana trangan-javatra hafahafa tao amin’ny fokontany Ambalaivoka, kaominina ambanivohitr’Antanananambo, distrikan’ […]
Zava-mahadomelina : mpitsindrona “rôrô” fito mianadahy voasambotra
Vehivavy roa sy lehilahy dimy saron’ny mpitandro filaminana nanaparitaka rongony mahery vaika “héroïne” tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Ny 20 oktobra lasa teo, naharay fitarainana ny zandarimaria Toamasina Ville, momba ny fisiana mpidoroka rongony. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ireto farany. Sarona tamin’izany ny lehilahy dimy sy vehivavy iray. […]




