Tranga

Ihorombe : roa lahy nahatrarana rongony 12 gony

Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Iakora, distrikan’Ihorombe ny lehilahy roa nitondra rongony, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny lehiben’ny zandary ao an-toerana, ny 22 de­sambra lasa teo. Voalaza fa misy andian’olona maromaro milanja rongony any, ka handalo ao amin’ny kaominina. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana vantany vao […]

Nanenjika tavoahangy nisy jorery : zazavavikely telo maty an-drano

Maty nalentiky ny rano ny zazavavikely telo. Nanenjika tavoahangy nisy jorery izy ireo, tao Ambavarano Antsahatanteraka, kaominina Fenoarivobe. «Nahita tavoahangy nisy jorery izay nentin’ny rano izy ireo tamin’ny 12 ora atoandro ka nanenjika izany. Tsy tafaverina intsony anefa», hoy ny nanatri-maso. Nahavoaray antso avy tamin’ny olona tsara si­trapo ny Jly […]

Ambohimitsimbina : jiolahy nahatrarana basy sy bala roa

Nisento tokana indray ny mponina teny Ambohimitsim­bina taorian’ny fahatraran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ireo jiolahy raindahiny, omaly atoandro. Isan’ireo jiolahy nampitondra faisana teny Ambohimitsimbina sy ny ma­nodidina iny ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Malaza ratsy amin’ny halatra miharo herisetra sady mampiasa fitaovam-piadiana. Manoloana […]

Vao herinandro niasana : lehilahy iray tratra nivarotra « cocaïne »

Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay mpivarotra rongony ma­hery vaika tratra teny 67ha afakomaly. Ny talata maraina teo, nahazo loharanom-baovao mahakasika ity lehilahy 30 taona ity ny polisy miasa eny an-toerana. Nisokatra ny fanadihadiana sady nanamarina izany ny mpitandro filaminana. Fantatra nandritra izay ny toeram-pivarotan’ity lehilahy ity zava-mahadomelina . […]