Tranga

Mahajanga : may ny orinasa Sitam

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny orinasa Sitam « So­ciété Internationale des Ta­bacs Mal­gaches », omaly to­kony ho ta­min’ny 02 ora ma­raina, tao Manjarisoa-Maha­janga. Voka­ny, may avokoa ny iray ampahatelon’ny « entrepôt » an’ity orinasa ity. Hatre­to tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, fantatra kosa fa antapitrisa maro ny totalim-bidin’ny entana levon’ny afo. « Olon-tsotra […]

Ambondromamy: dahalo raindahiny maty voatifitry ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Manerinerina ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, ny asabotsy alina lasa teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambondromamy tamin’io fotoana io ka isan’ny tompon’antoka tamin’izany ity dahalo ity. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny moto niaraka tamin’ireo […]

Ranomafana: lehilahy maty vohitsaky ny fiara

  Maty teo noho eo ny mpandeha an-tongotra iray voahosin’ny fiara tao Ranomafana, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Nitondra mpizahatany enina, tsy nanampo na inona na inona ny mpamily. Araka ny nambaran’ny olona teo amin’ny manodidina, efa mamo hatramin’ny atoandro ilay lehilahy voahitsaka. Tsy niala teo izy nandritra ny tontolo […]

Etrotroka – Faranfangana: dahalo roa raindahiny maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny zandary ireo dahalo roa lahy anisan’ny ikoizana amin’ny halatra omby tao Etrotroka, distrikan’i Farafangana, ny 24 desambra teo. Taorian’ny nahalasibatra matetika ny ombin’i Aban’i Mirihina, manana omby maro ao Mahatama anatin’ny fokontany Tanambao. Araka ny angom-baovao azon’ny zandary, tompon’antoka tamin’ny fangalarana ireo omby ireo ny dahalo roa […]

Rocade d’Iarivo Tratra ireo jiolahy nanendaka olona namonjy sasakalina

Niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny amin’ny Rocade ny olona roa avy namonjy sasakalina teny amin’ny Père Pedro… Noraisim-potsiny! Olona roa avy namonjy sasakalina tao amin’ny Père Pedro hamonjy fodiana no nosakanan’ny jiolahy, teo amin’ny “Rocade d’Iarivo”, ny asabotsy teo. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny […]