Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Morarano, ny zoma lasa teo. Tra-doza tamin’izany ny renim-pianakaviana iray, 48 taona sy ny zanany raha izy mianaka niaraka handeha hiantsena iny. Voafaokana moto noentina polisy io vehivavy io ka naratra mafy, hoy ny loharanom-baovao iray. Nohamafisiny tamin’izany fa miasa eny Tsaralalana ilay voalaza ho nahavanon-doza. Nandritra […]
Tranga
Ankatso: jiolahy tratra nanendaka teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be
Voasambotry ny polisin’ny FIP teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Ankatso, afakomaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, manara-maso ireo toerana be mpifamezivezy hatrany ny polisy mba hisorohana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpanao ratsy. Voakasik’izany ny eny […]
Mpanaparitaka héroïne: voaheloka dimy taona an-tranomaizina i Fortuno
Nivaly ny didim-pitsarana fa midoboka dimy taona any am-ponja, sazy mihatra, ny lehilahy iray atao hoe Fortuno. Mpanaparitaka rongony mahery vaika tao Toamasina, ny 22 desambra teo. Voasaringotra tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina izy sy ny namany efatra mianadahy hafa. Nokasain’ireo haondrana tao Toamasina ireo héroïne avy any Nosy Be ireo. Nalefan’ireto […]
Tsy fandriampahalemana: mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona, teny Ankeniheny, ny zoma, teo noho ny halatra nataony. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tratra ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisim-pirenena ka voasoroka izany. Vokany, natolotra ireo mpitandro filaminana ny tenany hanohizana ny famotorana. Ankoatra ity, jiolahy iray koa no tratra teo […]
Nohon’ny COVID – 19: nasorina tamin’ny asany i Felix
Anisan’ny raim-pianakaviana, manao noely eny an-dalambe ihany koa i Felix. Raim-pianakaviana 40 taona. Taorian’ny krizin’ny valan’aretina Covid 19, maro ireo orinasa nikatona. Isany niharan’ny fahaverezan’asa izy. Tsy vitan’izany, mbola nilaozam-bady ihany koa. Niasa tamin’ireny orinasa tsy miankina, mikirakira vy ireny saingy lasa 4’Mis. Mankalaza ny noely samirery izy, araka ny […]