Tranga

Saika handroba: dimy lahy nirongo basy noraofin’ny polisy

Tra-tehaky ny polisy, ny alarobia teo, ireo dimy lahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao Mahabokely, distrika Mahabo. Fantatry ny mpitandro filaminana ny teti-dratsin’ireto totakely ka nokarohina avy hatrany. Araka izany, hita tokoa fa nisy andian’olona miisa dimy nirongo fitaovam-piadina, niditra tamina tokantrano iray. Niditra an-tsehatra ny polisy nisambotra ireto farany. […]

Fanafihana mitam-piadiana: jiolahy 16 matin’ny polisy, basy 11 tafaverina

Fantatra nandritra ny famindram-pahefana, afakomaly, teo amin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny teo aloha, ny Contrôleur générale de police, Rakototiana Valisoa Laubel sy ny talem-paritra vaovao , ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa nisongadina ny polisin’ny FIP Toamasina tamin’ity taona 2022 ity, teo amin’ny fifanatrehana tamin’ny andian-jiolahy mahery vaika. Nahatratra 11 […]

Lalao baolina kitra: nidaroka olona ny mpitandro filaminana

Tranga hafakely ity niseho tao amin’ny kaominina Miarinarivo, distrikan’Andilamena ity. Ny alahady 18 desambra teo. Niady ny lalao famarana ny zanaky ny betsileo sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Resy teo anatrehan’ny zanaky ny Betsileo ny mpifanandrina aminy ka tsy nahazaka. Minitra vitsy tsy hataperan’ny lalao, nodakan’ny mpitandro filaminana ny […]

Notambazana  “biscuits”: sady  voaolana no bevohoka ilay ankizivavikely

Niakatra fampanoavana ny alakamisy ka notazonina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Tolagnaro ilay lehilahy 46 taona, voatondro ho nanolana sy nahabevoka ankizivavikely 12 taona. Voasambotra ny talata teo, rehefa nanao ny asa ratsiny  nandritra ny herintaona. Ny 15 desambra teo,raha iverenana ny zava-nitranga, efa alina vao niditra ny trano ilay ankizivavikely […]