Tranga

Anosibe: tratra ilay nandroba tao anaty taxi-be

Avy naka an-keriny ny zavatra teny an-tanan’ny mpandeha taxi-be iray, saron’ny polisy nanao fanamiana sivily ny tovolahy mpanendaka iray tetsy Anosibe, omaly maraina. Nikasa hanao ny asa ratsiny toy ny mahazatra rehefa anaty fitohanana, nitilitily ireo mpandeha anaty fiara ity tontakely ity. Tamin’izany, ramatoa iray tao anaty taxi-be no lasibatra. […]

Fiara nivadika: zaza valo volana maratra, maty ny reniny

Namoy ny ainy teny amin’ny HJRA ilay vehivavy 31 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodisaha Ambatomirahavavy, ny alahady teo. Mbola tazomina eny amin’ny sampana vonjy aina kosa ny zanany vao valo volana. Tranga mampalahelo. Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny fiara nitondra azy teny Ambodisaha Ambtomirahavavy, ny alahady hariva […]

Ela nitoratorahana: voatifitry ny zandary i Ndrianary, mpimasy

Nirefodrefotra ny basy, ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ ny 03 ora maraina tao Anjia­mangirana II, distrikan’Antso­hihy. Maty voatifitry ny zandary ao an-toerana i Ndria­nary, mpimasy sady dahalo mpamerin-keloka. Isan’ireo anaran’olon-dratsy atao hazalambo ao amin’ny distrikan’ Antsohihy izy ity. Efa nifampitadiavana tao anatin’ny telo volana sy 21 andro izy ka […]

Dahalo rain-dahiny: rotidrotiky ny bala i Reveto

Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana i Reveto, dahalo raindahiny mpangalatr’omby tao Antongomavo, fokontany Tsarabanja, kaominina Ankirihitra, ny zoma teo. Lasan’i Reveto sy ireo dahalo namany ny omby tao Mahatsinjo/Valala, kaominina Marie, distrikan’i Kandreho, ny 29 novambra.Niara-nientana tamin’ny fokonolona noho izany ny zandary nanao ny fanarahan-dia sy nikaroka ireo olon-dratsy. Tra-tehaka, […]

Fisafoan’ny zandary: jiolahy nahatrarana fitaovam-piadiana

Namoy ny ainy teny an-dalana hanoro ireo namany, maty voatifitra rehefa nikasa hitsoaka ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Sarilasy, kaominina Ambidirina, distrikan’ i Vondrozo, ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ny mpitandro filaminana, ny 24 novambra, notanana natao fanadihadiana ity jiolahy ity. Rehefa nosavaina ny […]