Nitrangana fanafihan-jiolahy tsy nisaron-tava, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray teny Ilafy, omaly atoandro. Voaambana basy ny mpiasa ka lasa ny volabe tao anaty fitoeram-bola. Toeram-pivarotana kojakojana fanamboarana trano ity notafihan’ny jiolahy telo nitondra basy roa sy antsilava iray ity. Araka ny fitantaran’ny tovolahy iray mpiasa ao amin’ity toeram-pivarotana ity, tonga […]
Tranga
Manakara: lamasinina nivadika, olona telo naratra
Nitrangana loza an-dalamby indray tao Tanakidy, kaominina ambanivohitr’Ambahatrazo, distrikan’i Manakara, omaly maraina. Fiarandalamby zotra FCE (Fianarantsoa Côte Est) ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy ao Manakara hihazo an’i Fianarantsoa ilay lamasinina no niala ny lalamby nandehanany nony tonga teo amin’ity tanàna ity. Olona telo nandeha tamin’ity fiarandalamby ity no naratra. […]
Lehilahy 30 taona novonoina : feno dian’antsy ny tenda sy ny lamosiny
Lehilahy iray 30 taona eo ho eo hita faty teo amboditranon’olona tamin’ny alahady maraina teo. Nahitana tsatok’antsy maromaro ny tenda sy ny lamosiny. Feno dian-tsatok’antsy teo amin’ny tendany sy ny lamosiny no hitan’ny polisy sy ny BMH tamina tovolahy iray 30 taona eo ho eo tao Antanimena, Secteur 8 Tanambao […]
Naiditra am-ponja: novakin’ny mpiambina ny tranon’ny mpampiasa azy
Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja ny jiolahy iray nanao fivadiham-pitokisana sady nangalatra tao an-tranon’ny mpampiasa azy, tao Mananara Avaratra. Saron’ny polisy ny 17 septambra 2023 teo ity jiolahy ity. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ny renim-pianakaviana iray noho ny halatra niseho tao an-tokantranony. Very tamin’izany ny moto, […]
Ilakaka : lehilahy hita faty notapahin-doha
Nihoron-koditra ny rehetra nahita ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny kariera Ilakaka, fokontany Manombo, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Raha ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ilakaka, avy any Sakaraha ny fiavin’ilay lehilahy niharam-boina fa mpiavy ihany izy no tao Ilakaka. Tonga afakomaly izy ka ao amin’ny nenitoany no […]




