Tranga

Toamasina : Miverina indray ny fitsaram-bahoaka

Amin’ny ankapobeny, manomboka miverina indray ny fitsaram-bahoaka any Toamasina, amin’izao fotoana izao. Kivy amin’ny trangan-javatra ataon’ny fitsarana ny vahoaka satria votsotra avokoa ny ankamaroan’ny olon-dratsy rehefa avy notsaraina. Misy ihany koa ireo tafavoaka ny fonja fa tsy mipetraka ela any, raha ny zava-misy. Miverina mandrahona ny mponina sy ny mpitory […]

Fakana an-keriny : Olona sivy voasambotra, vehivavy mpampiantrano ny iray

Anisan’ny mampikaikaika sy mampanahy ny mponina ny trangana fakana an-keriny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Anisan’ny ahitana izany ny any amin’ny distrika Maevatanàna, Anjo­zo­robe, Ankazobe, sy ny maro hafa. Ho an’ny tany Maeva­tanàna manokana, olona sivy, malaza amin’ny fakana an-keriny no azo sambo-belona, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany […]

Nanindrona compat: Mpianatra 17 niakatra fitsarana

Niakatra fitsarana teo anivon’ny ambaratonga voalohany any Toamasina, ny alatsinainy 24 febroary teo, ny anton­­tan-taratasin’ady lah. faha-198/RP/25 IS/SJ/ARS. Izay naha voarohirohy mpianatra tsy ampy taona miisa 17 avy amin’ny sekoly tsy miankina iray tetsy Tanamakoa. Mpiray tsikombakomba tamin’ny herisetra avokoa izy rehetra ireo. Voasazin’ny lalàna famaizana, laharana faha-311 izy rehetra […]

Nanadio tsikafona teny Anosizato : Lehilahy matin’ny herinaratra tao anaty rano

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, omaly, teny Anosizato. Main’ny herinaratra tao anaty rano izy nandritra ny fanadiovana tsikafona teo akaikin’ny tranony. Maty, main’ny herinaratra ny lehilahy iray, 32 taona, omaly, tetsy Anjanakolahy, fokontany Ano­sizato Atsinanana I. Tokony ho tamin’ny 1 ora no niseho­an’ny voina, raha nanadio tsikafona, fitoerana vovo […]