Enina ireo olona narary vokatry ny fikasana hamono tena nandritra ny roa andro fankalazana ny fetim-pirenena, 25 sy 26 jona teo, raha ny tatitra nataon’ny HJRA Ampefiloha, omaly. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy roa ary ankizy roa. Telo ny olona maty teo anivon’ny hopitaly, efatra hafa maty avy any ivelany, […]
Tranga
Niala fiara tamin’ny sisin-dalana : Mpanao Rallye namoy ny ainy
Tsy tana ny ain’ny mpamily fiarakodia fanta-daza amin’ny taranja mekanika sy ny fakana sary, omaly. Niharan-doza teny amin’ny lalan’Imerinkasinina izy sy ny vadiny, ny alahady 28 jona teo. Namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tamin’iny lalan’Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominin’ Ambohimalaza ny mpamily fiarakodia iray. Mpankafy […]
Namono nahafaty ny vadiny : Maty voatifitra ilay maorisianina tompon’antoka
Maty voatifitry ny polisy ny sabotsy maraina teo, ilay lehilahy teratany maorisianina, 40 taona. Izay tompon’antoka namono nahafaty ny vadiny, 34 taona, tany amin’ny fokontany Antanambao, kaominina ambonivohitra Mananara Avaratra, io andro io ihany. Lasa nitsoaka ny tenany taorian’ny asa ratsiny. Nahazo angom-baovao anefa ny polisy ka nisambotra azy avy […]
Tranon’ny filohan’ny Albinos : Nisy andian-jiolahy nikasa hanafika
Andian-jiolahy nikasa hanafika ny trano fonenan’ny filohan’ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira, i Soja Fulgence, tany Maevatanàna, omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora. Namoaka fanambarana mahakasika izany, tamin’ny tambajotran-tserasera, ny tenany, omaly. Nikasa hiditra an-keriny tao an-tranony ireo jiolahy. Nahatsikaritra izany ny olona tao an-trano ka nampandre ny mpitandro […]
Vao afaka fanadinana CEPE : Notifirina teo amin’ny lohany i Soaline
Maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany i Soaline. Tezitra noho ny tsy fisiam-bola saika hangalarina ireo mpanafika mitam-basy ka nanamparan’izy ireo ny hatezerany izy. 12 taona, vao afaka fanadinana CEPE ity zaza lasibatra ity. Notafihin’ny jiolahy miisa roa, mirongo fitaovam-piadiana, ny tokantrano iray, tany Mangarivotra parisela 21/53, disitrikan’i Toamasina, […]





