Tranga

Alahelo sy fitiavana : Vehivavy iray, mpandihin’ny tarika Jean Aimé, maty namono tena

Namono tena, omaly, tany Belo-sur-Tsiribihina, ny vehivavy iray, antsoina hoe : Panda, mpandihin’ny tarika Jean Aimé. Vadin’ny mpandihin’ny tarika izay nindaosin’ny fahafatesana noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, teny Antanifotsy, ny 4 mey 2026 lasa teo. Na­metraka hafatra sy namoaka ranty tamin’ny tambajotran-tserasera izy talohan’io famonoan-tena nataony io. Voasoratra tamin’izany ny hoe: […]

Lozam-piarakodia : Dorkasy 12 indray naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Alakamisy Ambohi­maha, 21 km miala an’i Fianarantsoa, omaly atoandro. Dorkasy avy amin’ny FJKM avy any Alakamisy Itenina hamonjy fivoriana ao Ambohimasoa ireto tra-doza ireto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa miisa 31 ireto vehivavy hamonjy fivoriana ireto ka ny 12 amin’izy ireo no tena naratra mafy, […]

Voatifitra tetsy Anosibe : Jiolahy roa saika hanendaka polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Anosibe, boriborintany fahefatra, ny afakomaly alina. Maty tsy tra-drano ny olon-dratsy roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Saika hanendaka polisy izy ireo. Lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa teny Anosibe, afakomaly alina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’io faritra io […]

Fitondran-tena mamoafady ataon’ny zandary: Handraisana fepetra hentitra

Misesisesy ny trangana fihetsika mamoafady ataon’­ ireo zandary, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, tato ho ato. Anisan’­ izany ny tranga fanolanana ankizivavy 17 taona iray, tany Marofinaritra Antalaha, ny volana avrily lasa teo. Voa­tazona nanaovana fanadihadiana noho ny fahaverezana basy izy ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo nandritra izany. Mbola […]

Nanaparitaka vola sandoka: Lehilahy iray naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nahatraran’ny polisy vola sandoka tao Mananjary. Mody nividy entana teo amin’ny mpivarotra ao an-toerana io lehilahy io. Vola sandoka avokoa no nampiasainy. Tsy taitra ny mpivarotra saingy niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana hisambotra io olona nikasa hisoloky tamin’ny vola […]