Fifandirana indraindray. Maty notsindromin’ny mpiara-miasa taminy, tamin’ny antsy, ny lehilahy iray, tetsy Maroroho Tsimbazaza. Niboraka ny tsinainy, izay nitarika tamin’ny fahafatesany. Maty notsindromin’ny mpiara-miasa taminy tamin’ny antsy tetsy amin’ny Annexe Aceem Maroroho Tsimbazaza, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora sy sasany, ny lehilahy iray 50 taona. Vavahady nidobodoboka no henon’ny mponina […]
Tranga
Billy Rakotomalala : Mpankafy fa tsy mpanao Rallye
Hotontosaina ny zoma 3 jolay izao ny fandevenana an’i Billy Rakotomalala, ilay mpamily fiara matin’ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalan’ Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominina Ambohimalaza. Tsy mpanamory Rallye velively izy, araka ny fanazavan’ny fianakaviany fa mpankafy ny tontolo mekanika. Anisan’ny nirona tamin’ny fankafizana fiarakodia izy ary nahasarika namana maro […]
Tokantrano voatafika : Tovolahy iray maty voatifitra
Notafihin’ny jiolahy mirongo basy ny tokantrano iray tany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe, ny harivan’ny alatsinainy, tamin’ny 7 ora. Niditra tao an-trano ireo jiolahy ary efa teo an-tokotany no nisy ny fifampitifirana. Tapaka ny herinaratra nandritra izany. Nanapoaka basy indroa izy ireo, ren’ny mponina teny amin’ny manodidina. Vokany, voatifitra teo amin’ny lohany ny […]
Amboanjobe Andoharanofotsy: Hita faty voaolana tao anaty ala “Sapin” i Sahala Fanekena
Hita faty tany anaty alan-kesika, eny Amboanjobe, i Sahala Fanekena, ankizivavy 12 taona, nifampitadiavana afakomaly tontolo. Niala ny tranony tetsy amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano izy, afakomaly maraina. Naolana sady nodarohana izy. Hita faty omaly hariva tamin’ny 4 ora, tany anaty ala “Sapin” tany Amboanjobe Andoharanofotsy, i Sahala Fanekena. Ankizivavy 12 […]
Raim-pianakaviana voatafika: 4 tapitrisa Ar haterina any amin’ny banky voaroba
Miseholany ny trangana tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Raim-pianakaviana hanatitra vola any amin’ny banky no notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niseho tao Ambolomadinika, teo anoloan’ny tranombarotra fivarotana Fave, distrikan’i Toamasina, ny tranga. Miasa amina tranombarotra iray misehatra amin’ny fivarotana kojakoja amin’ny fanaovan-trano ity lasibatra ity. Mpiasa efa […]





