Tranga

Fanafihana tetsy Fenoarivo: Jiolahy 11 voasambotra, iray maty voatifitra

Vola 20 000 Ar isan-dahy no azon’ireo jiolahy namono nahafaty mpianaka teny Ambohidrazana Fenoarivo. 11 lahy hiakatra fampanoavana, anio. Hiakatra fampanoavana, anio, ireo 11 lahy no­samborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo, momba ny fanafihana nahafatesana olona roa teny amin’ny kaominina Fenoarivo. Niara-niasa ny tobim-paritry ny zandary voakasika sy tamin’ireo […]

Sinto-mahery eny Ambodin’Isotry : Vehivavy iray nosamborin’ny polisy

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpanao sinto-mahery eny amin’ny Cité Ambodin’Isotry, afakomaly maraina. Hamonjy toeram-piasana, vehivavy iray saika lasibatr’ireo mpanao ratsy. Narahin’ny vehivavy mpanao sinto-mahery io olon-tsotra io. Niditra lalankely izy kanjo nosintomin’ilay tontakely ny firavaka teny an-kodiny. Niezaka niaro ny tenany sady niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina […]

Fampiasana olona antsokosoko: Teratany vahiny 83 nosamborin’ny polisy

Voasambotry ny polisy teny Ambatomirahavavy ny teratany vahiny miisa 83. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara izy ireo. Ordinatera miisa 170 ihany koa nogiazana. Mitohy ny ezaka ataon’ ny polisim-pirenena amin’ny fanaraha-maso akaiky ny sisintany sy ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara. Nahitam-bo­kany izany, teratany vahiny miisa 83 no voasambotra […]

Anosipatrana : Lehilahy nandroba volan’ny mpampiasa 3 tapitrisa Ar

Voasambotry ny mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ny lehilahy iray teo Anosipa­trana « Trano dimy », ny alin’ny sabotsy 22 marsa lasa teo. Nanao fisafoana nandritra ny alina teny amin’io faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana io ny eki­pan’ny polisim-pirenena. Na­haray antso an-telefaonina izy ireo fa misy olona mampiahiahy tratra […]

Kamiao tra-doza : Olona telo naratra mafy

Nipitika ivelan’ny kamiao ny olona roa tamin’ireo telo voa mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “autoroute” mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanga, omaly tolakandro. Kamiao iray nidona tamin’ny rindrim-bato manasasaka ny arabe. “Nipitika nivoaka teo amin’ny fitaratra aloha an’ny fiara ny roa tamin’ireo tra-doza”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nifamonjena, nentina nihazo […]