Lehilahy iray, 50 taona, hita faty tao anaty ranon’Ikopa, tetsy Anosizato Andrefana, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nikasa hisasa tamin’io rano io izy no nilentika tampoka, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Nanala ny akanjo teny an-kodiny izy ary nisasa teo amoron’ny rano, ambony vato. Mbola be olona teny an-toerana tamin’io […]
Tranga
Fanaovana akanjona miaramila: 14 ireo olona nosamborina
Taorian’ny fanentanana nataon’ny mpitandro filaminana, mahakasika ny fandrarana ny fanaovan’ny sivily ny fitafiana sy akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila, nanomboka nisambotra ireo olona minia tsy manara-dalàna ny eo anivon’ny zandary sy polisim-pirenena ao Fianarantsoa, omaly. Ho an’ny tao Anjoma, Fianarantsoa, manodidina ny 14 ireo olon-tsotra nosamborina, izay nanao fitafiana mitovy […]
Vono olona feno habibiana : Tezitra ny koreanina!
Nodorana omaly, teny Fasanikarana ny vatana mangatsiakan’ireo koreanina roa lahy, nisy namono tamin’ny zoma alina. Naneho ny hatezerany ny mpiaray tanindrazana amin’izy ireo. Feno fahatezerana ny teratany koreanina amin ’izao fotoana izao, manoloana ny famonoana ireo misionera koreanina mianaka, tany Morarano Gara, Moramanga, ny zoma alina teo. Raha ny fanambarana […]
Analankinina Hopitalibe : Tranona mpianatra voaroba
Nitrangana vaky trano indray tany amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe, parisela 12/21-22, zana-paritra fahefatra, ny sabotsy hifoha alahady teo. Vaky trano maromaro no niseho tao amin’io toerana io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, tranona mpianatra ho mpitsabo mpanampy eny anivon’ny sekoly ambony avokoa ireo niharan’ny […]
Ambalakisoa sy Morarano: Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy
Maty voatifitry ny polisy avy amin’ny Uir ny alahady 23 febroary vao mangirandratsy, ny jiolahy roa. Tratra teo am-panendahana olona hody avy namonjy lanonana ireo olon-dratsy miisa efatra. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana, ka tonga ara-potoana nijery ny zava-misy. Nitsoaka avy hatrany izy ireo vantany vao nahita […]