Indroa alina misesy izao, no voalaza fa narahana ”drones” ny fiara nitondra ny Kly Randrianirina Michaël, raha izy hamonjy fodiana. Hitan’ny mpiambina izany halina ka raikitra ny tifi-danitra, teny Ivandry Namoaka fanambarana ofisialy, halina ny talen’ ny seraseran’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Voalaza tamin’izany fa indroa alina misesy izao dia misy […]
Tranga
Zaza very tato ho ato : Tsy latsaky ny 10 ireo namoahana fikarohana
Tsy latsaky ny 10 ny tranga filazana fikarohana mahakasika zaza very teto Analamanga, tato anatin’ny tapa-bolana. Naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera avokoa izy ireny mba hifanampiana amin’ny fikarohana. Nahitana ankizy, tanora ary olon-dehibe izany. Betsaka indrindra amin’ireo ny fahaverezana ankizy sy tanora manodidina ny 4 hatramin’ny 31 taona. Nisy tamin’ireo no hita […]
Amboanjobe, RN7: Lehilahy hita faty tsy nisy taova
Dian-java-maranitra efatra hita tamin’ny fatin-dehilahy iray teny Amboanjobe, omaly. “Nalan’ny olon-dratsy ny taovany”, hoy ny mpitandro ny filaminana. «Voatsatok’antsy ny vatany, nahitana dian-java-maranitra koa teo amin’ny fony sy ny tendan’io olona io », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, omaly maraina. Niala ny trano fonenany ilay raim-pianakaviana, voalaza fa handeha hivarotra […]
Ankadinondry Sakay : Ankizy nilalao nahita razana nifono
Nampihorin-koditra! Razana iray nifono lamba hitan’ny ankizy nilalao tao Ambavaloza, tsy lavitry ny fokontany Ankadinondry II, kaominina Ankadinondry Sakay, ny talata 1 jolay teo. Nasitrisitriky ny olon-dratsy tao anaty kirihitra, hitan’ny andian’ankizy nilalao tao anatin’io fokontany io ny taolam-balo maromaro niampy karan-doha miisa efatra. Tsy vitan’izay, razana iray mbola nifono […]
Toamasina : Hanamafy ny fisafoana ny OMC
Hitohy ny fisafoana, atoandro sy alina, ataon’ny ekipan’ny mpitandro filaminana mivondrona amin’ny OMC, manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy ao Toamasina Renivohitra. «Efa misy olona hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisim-pirenena manoloana ny tranga famonoana ilay zazavavy 12 taona tao Mangarivotra, ny sabotsy 27 jona lasa teo », hoy ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana anivon’ny […]





