Tranga

Kaominina Tsifota : Notampenan’ilay teratany vahiny ny lalana

Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mihetraketraka ao amin’ny kaominina Tsifota, Toliary II, ny teratany vahiny iray. Nohidiny tsy azo andehanana intsony ny lalam-bahoaka. Manana trano fandraisam-bahiny izy ary mbola nividy tany hafa, elanelanin’ny lalana amin’izany toerana izany. No­tampenany ny lalana, raha nanaja ny fahafahana mampiasa izany avokoa ireo rehetra mipetraka amin’io […]

Nihinana composé : Olona 69 niara-narary

Olona 69, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampe­filoha, nanomboka ny alahady lasa teo. Nihinana composé tamina tsena mpivarotra hani-masaka tetsy Namontana izy ireo, ny zoma sy sabotsy lasa teo, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka narary sy hafahafa ny toe-pahasalaman’izy ireo, taorian’ny fihinanana io sakafo io. Samy narary kibo, nandoa sy […]

Mamo nikiry nitondra moto : maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray, omaly, tany Toamasina. Mamo, nikiribiby nitondra moto izy. Nianjera tany ambany kamiao rehefa avy nandona mpitarika posy. Vokany, maty notetezin’ny kodiarana. Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Toama­si­na, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Tovolahy iray tokony ho 25 taona, maty […]

Torana teny an-dalana: Lehilahy nahatrarana rongony iray sakaosy

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fampanoavana, ny lehilahy iray nahatraran’ny zandary rongony iray sakaosy teny Andoharanofotsy. Nitaingina fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io, ny sabotsy 9 mey teo. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa izy ka nentin’ireo tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana. Nanao ny asany ny mpitsabo ka fantatra fa tsy nahatsiaro […]

Sendika mpiasan’ny APMF: « Manontsana ny fitsi­kilovana ny mpiasa »

Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao ny fianakaviamben’ny mpiasa sy ny sendika (SMA) eo anivon’ny Agence portuaire, maritime et fluviale na APMF. Mirongatra ny antsojay atao amin’izy ireo, noho ny antony samihafa. Miafara amin’ny fandrahonana sy fitsikilovana izany. Anisan’ny hisintonan’izy ireo ny lakolosy ny mahakasika ny fihainoana ny […]