Nizara roa! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ankazondrano, kaominina an-dRenivohitra Fianarantsoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiao ilay lehilahy ka nisaraka ny vatany. Olona tsy vaovao amin’ireo mpivezivezy ao an-toerana, mpibata entana ao amin’ny toeram-piantsonana ao Ankazondrano, ity tra-doza ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny […]
Tranga
Ambohimanambola: maty novelesin-dramatoa fanoto ny vadiny, omaly maraina
Notanana atao famotorana ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty am-badiny, teny Ambohimanambola. Maty novelesina fanonto ity farany, omaly maraina. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray 57 taona, tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny 25 hifoha ny 26 jona teo. «Niady izy mivady ary tsy nisy olon-kafa ankoatra azy ireo […]
Asan-jiolahy: matin’ny fitsaram-bahoaka i Tidahy
Nofirain’ny fokonolona tamin’ny zava-maranitra, niendaka ny hodi-tavan’i Tidahy, olon-dratsy malaza ho mpamira antsy olona, tao amin’ny kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Nandritra ny andron’ny tsena tao amin’io kaominina io, narahin’ny fokonolona maso i Tidahy. Nikendry mpanao volamena iray tao amin’ny tsena izy, saingy efa niandry kendry tohina azy ny fokonolona. […]
Tsiadana: zandary sandoka naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana afakomaly, voatazona vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Tsiadana, boriborintany faharoa. Nitondra moto sady nanao fanamiana zandary mitondra tsipika roa io lehilahy io. Nifamaly tamin’ny mpitondra fiara iray teny an-toerana izy, ny 20 jona lasa teo. Nodakadakan’io lehilahy io anefa ny fiara. Nalainy ny […]
Olana ara-pitiavana: tovovavy kilasy famaranana namono tena
Mateti-pitranga ny tranga famonoan-tena tato ho ato. Tanora vao erotrerony avokoa ny voasarik’izany amin’ny ankapobeny. Tovovavy, kilasy famaranana ao amin’ny Lycée iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahela, disitrikan’i Tanambao Manampontsy no namono tena, ny sabotsy tolakandro 20 jona lasa teo. Hita faty nihantona tamin’ny tady teny ambony hazo izy, tamin’io […]





