Tranga

Teo an-tokotanim-pasana: Lehilahy hita faty tapa-tanana tetsy Ivandry

Hita faty tao an-tokotanim-pasana, tao anaty kirihitra, ny lehilahy iray, tetsy anelanelan’Alarobia sy Ivandry, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Tsy hita nanomboka ny alakamisy 30 avrily teo izy. Tapaka ny tanany havia ary efa simba ny ilan-tanana havanan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tetsy anelanelan’­ Alarobia Amboniloha sy Ivandry, […]

Famonoana zaza dimy taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-baho­aka tany Vohitsara, Ampom­by, distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, omaly maraina. Lehi­lahy iray, antsoina hoe: Nar­cisse, no voalaza sy voaendrikendrika ho nandray anjara tamin’ny famonoana zaza dimy taona tamin’ny fomba feno habibiana, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Niroho­tra nisambotra azy io ny andian-dehilahy an-jatony. Raikitra ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ka […]

Talata Volonondry : Fasana telo nasesin’ny jiolahy

Niparitaka avokoa ny fonosana nisy ny taolam-balon’ireo razana efa nilevina tao anatin’ny fasana miisa telo tao Amparafara, kaominina Talata Volonondry, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo ny fisokafan’ny varavaram-bato tamin’ny fasana iray tao an-toerana ka nampandre avy hatrany ny fokonolona izy. Nijery ifotony ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany voakasika sy […]

Nokapaina zava-maranitra : Nentin’ny olon-dratsy ny lohan’ilay ramatoa

Hifampitadiavana ny lohan’ilay renim-pianakaviana nisy namono, omaly. Tompon’ny trano fivahiniana Jardin de la Mer ao Mananjary ity lasibatra. Notombohana zava-maranitra ny tendany. Maty nisy namono ny renim-pianakaviana iray, tao ambonagny, kaominina Manajary. Hita tao an-tranony, omaly maraina, ny razana, izay efa tsy nisy loha. Tompon’ny hotely Jardin de la mer […]

Ampasampito : Mpamaky fiara voasambotry ny polisy

Nosamborin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny CSP3 Antaninandro ny lehilahy mpamaky fiara sarona teo Ampa­sampito, afakomaly. Fiara an’olon-tsotra nipetraka teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara nanaovan’io lehilahy io ny asa ratsiny. Tsy nisy olona tao anatin’ny fiara ka nosokafan’ilay jiolahy an-keriny. Na­lainy avokoa ny entana noheveriny ho sarobidy tao anatin’io fiara io. […]