Tranga

Naiditra am-ponja… : tratra ireo mpanao trafika sy mpidoroka rôrô

Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô). Tratran’ny polisy mi­sahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritra Ankoron­drano, afakomaly ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha fivarotana sy fidorohana ary firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Angom-baovao no nahafahan’ny polisy nandeha […]

Mampikony : tratra i Goralahy mpaka an-keriny

Tratra ihany! Nokarohina nanomboka ny taona 2017, voasambotry ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mampi­ko­ny i Goralahy, dahalo mpaka an-keriny. Lehiben’ny dahalo mpanao io asa ratsy io mihitsy izy raha ny fanazavan’ny zandary. Nitondra takaitra tamin’ny fakana an-keriny nataony niaraka tamin’ireo namany ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampa­simatera. Nitory teny anivon’ny […]

Nanafika Cash Point : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Lasan’ny jiolahy ny vola 2 800 000Ar tao amina Cash Point iray niharan’ny fanafihana tao Amboniavaratra Tsiroanomandidy, afakomaly. Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy iray avy nanafika Cash Point tao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanoman­didy, afakomaly tolakandro. Lasany nandritra ny fanafihana ny vola mitentina 2 800 000Ar. Nisy afaka niantso ny zandary […]

Tsiroanomandidy : dahalo iray lavo, omby 60 tafaverina

Ravan’ny mpitandro filaminana ny asan-dahalo tao amin’ny distrikan’i Tsiroano­mandidy, ny alin’ny 7 hifoha ny 8 jona teo. Niparitaka ireo dahalo 50 lahy ka votsitra teny amin’izy ireo ny omby halatra. Omby maherin’ny 60, tafaverin’ny mpanara-dia ireo dahalo 50 nanafika tao amin’ny fokontany Tsaratanàna, kao­minina ambanivohitra Mi­andrarivo, distrikan’i Tsiroa­no­mandidy, ny faran’ny […]