Mafy ny fifandonana ! Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andriamena, notarihin’ny kapiteny Marius, nampian’ireo vondron-kery manokana avy eo anivon’ny FIGN/GSIS (tarihin’ny kapiteny Anondahy) sy ny andian-dahalo mpaka an-keriny, omaly vao maraina. Tao amin’ny toerana atao hoe Ambohitrafovoany Andriamena no nifanehatra ireo zandary sy ny dahalo. Raha […]
Tranga
Mpisoloky voasambotra: misandoka ho mahatafiditra mpiasa
Zatra ny lalan-dririnina! Noraisim-potsiny ny mpisoloky iray taorian’ny fanadihadiana nataon’ny kaompanian’ny zandary Tana/Ville, omaly. Misandoka andraikitra ho mahatafiditra mpiasa amina orinasa. Mividy gazety ahitana ny laharan’ireny olona mitady asa ireny izy. Antsoiny, anaovany fotoana ilay mitady asa ka amoronany tetika maromaro ahafahany misandoka. Fantariny ny asa ilain’ilay olona. Omeny laharana […]
Mpivady voatafika : rangahy voakapa famaky, ramatoa voafira antsy
Naratra mafy izy mivady voatafika tamin’ny talata alina. Voakapa famaky ny lohan-drangahy. Voafira antsy ny tanan-dramatoa. Miandahy miambavy ny mpanafika. Voatafika ny mpivady, mpivarotra enta-madinika, monina ao Andranomanganahana, distrikan’i Farafangana, ny talata alina lasa teo. Nokapain’ny jiolahy famaky ny raim-pianakaviana. Naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny lamosina. Mbola voafira […]
Teo am-pikononkononana fanafihana : jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy mpamerin-keloka, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mikononkonana fanafihana mitam-piadiana ao Tsaravavaka Antsirabe ka namonjy izany. Vao nahatazana ny polisy ny andian-jiolahy dia nitifitra avy hatrany. Nifamaliana ny tifitra, maty ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy hatramin’ny […]
Nafenina tanaty kizo: rongony 81 kg saron’ny zandary
Tratran’ny zandary tao amin’ny kizo ao Sahavia, kaominina Tsianofana-Vangaindrano, ny rongony tamin’ny gony miisa valo, ny alin’ny 9 jona lasa teo. Nentin’ny efa-dahy tamin’ny lakana izany. Nampitandrina azy ireo tsy hihetsika ny mpitandro filaminana. Nitsambikina, nilentika tao anaty rano ny mpitondra ny entana. Navelan’izy ireo nihahaka ny rongony, nogiazan’ny mpitandro […]




