Hita ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora, niara-namoy ny ainy, ny mpivady avy niasa, tao amin’ny fokontany Ambatolampikely, kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, lasan’ny rano ny alin’ny zoma 14 febroary teo. Nivarotra toy ny mahazatra azy ireo, namonjy fodiana izy mivady. Nitaingina moto, nikasa hiampita ny renirano no sendra ny ranotrambo tampoka […]
Tranga
Arivonimamo : Nanentana ny mpianatra ny zandary
Nidina ifotony teny anivon’ireo sekoly tany amin’ny CEG sy Lycée Coindre Arivonimamo, ny borigadin’ny zandary any Arivonimamo, omaly. Nanao fanentanana an’ireo mpianatra mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo, nandritra izany. Ankoatra izay, mba hahafahana miady amin’ny karazana herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Eo koa ny ady amin’ny […]
Kamiao nihitsoka familiana : Olona iray maty tsy tra-drano, roa hafa naratra
Renim-pianakaviana, 74 taona, maty tsy tsa-drano vokatry ny fianjeran’ny kamiao iray nandehanany, afakomaly, tany Ifanadiana. Voatsindrin’ilay fiara izy ka nitarika ny fahafatesany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona iray tany amin’ny lalam-pirenena, RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, PK10+80, afakomaly. Niseho tao Mangalahenatra, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Ambiabe, distrika Ifanadiana, ny […]
Fanendahana eto an-dRenivohitra : Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy
Jiolahy roa lahy ikoizana amin’ny fanendahana mitam-piadiana niara-lavon’ny balan’ny polisin’ny SAG tetsy 67 Ha sy Paraky, ny zoma 14 febroary teo. Nanao fisafoana teny amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra ny mpitandro filaminana. Anisan’ny efa namoahana didy fikarohana rahateo noho ny asa ratsiny izy roa […]
Antanambao Manampotsy : Taolam-paty miisa 500 navoaka tao am-pasana
Tra-tehaka ireo taolam-paty nisy nandroba tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kominina Antanambao Manampotsy, ny alin’ny alatsinainy 10 febroary teo. Nandritra ny fanarahan-dia sy fikarohana ny manodidina, hitan’ny fokonolona sy zandary tao anaty ala ny taolam-paty miisa 500. Nojerena ifotony tao anatin’ny fasana ka voamarina fa ireo toerana nisy ny […]