Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena fahafito, afakomaly tamin’ny 9 ora maraina. Tao Mandikanamana, fokontany Antsahalava, kaominina Behenjy no nitranga ny loza. Taxi-borosy iray avy aty Antananarivo, hihazo an’Ambatolampy no nihavian’izany. Nandeha mafy izy ary nikasa hisongona ny fiara teo alohany. Tsy nijery tsara ny lalana sy ny fiara tokony […]
Tranga
Vaky trano tetsy Itaosy: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny vaky trano teny Itaosy, ny 24 avrily lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana izy ireo, ary nalefa any am-ponja. Raha tsiahivina, nisy namaky ny tokantrano iray tao Faliarivo Loharanombato, Kaominina Ambavahaditokana Itaosy ny 24 avrily. Tonga nametraka […]
Fivadiham-pitokisana : Mpandrahara maty notifirin’ny mpamiliny teny Ambohibao
Mpandrahara iray, maty notifirin’ny mpamiliny tetsy Ambohibao Antehiroka ny alin’ny zoma lasa teo. Fivadiham-pitokisana no antony namonoana azy. Noentin’ity farany nitsoaka ny fiara, sy ny vola ary basy saingy tratra tany Toamasina ny tenany. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Toamasina, ny alin’ny sabotsy 2 mey 2026 lasa […]
Pitik’afo avy amin’ny saribao : Levon’ny afo ny akoho fakana nofo
Tato ho ato, saika mirongatra izay tsy izy ny trangana haintrano teto Toamasina, na dia efa potiky ny rivodoza Gezani aza ny ankabetsahan’ny tranon’ny mponina. Antony roa no mahatonga ny firehetana matetika. Eo ny tandrevaky ny asan’ny Jirama amin’ny famerenana herinaratra isan- tokatrano ka mahatonga firehetana tsy tomombana amin’ny tokony […]
Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha: Potika ny fitaovana sy entana tao amin’ny sekoly
Potika sy simba avokoa ny entana sy ny fitaovam-pianarana rehetra tao anatin’ny Centre culturel Omar El-Farouk 67 Ha, taorian’ny fanakorontanana nataon’ireo andian’olona, ny talata lasa teo. Simba tamin’izany, ny varavarankely sy ny varavarana ary nakorontana ny taratasin’ny mpianatra sy ny fitaovana tao amin’ny sekoly. Teo koa ny vono nahazo ny […]




