Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny iray tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 23 jona teo. Nanao asa fanafihana tao amin’ny fokontany Ambaniatsimo, kaominina Ankadikely Ilafy, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy maromaro, ny harivan’ny talata 23 jona teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy […]
Tranga
Tezitra noho ny kolikoly: nitokona ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be
Nidina an-dalambe, omaly, ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be, eto an-dRenivohitra. Nilaza ho leo kolikoly ataon’ny polisy kaominaly izy ireo. Nodian-dry zalahy fanina kosa ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nidina an-dalambe sy nilanja sorabaventy mitaky ny handravana ny Direction des transports et de la mobilité urbaine (DTMU) ny mpamily sy resevera […]
Nanenjika akoho: lehilahy natelin’ny rano tetsy Ambohimanambola
Namoy ny aina natelin’ny rano ny tovolahy iray, teny akaikin’ny tetezana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nanenjika akoho somary nanamorona ny renirano izy, raha ny voalaza, kanjo nisolifatra tampoka tany anaty rano. “Efa somary mamomamo izy raha ny angom-baovao”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao Ambohimanambola. “Lalina ny rano ka nilentika […]
Ambohidratrimo: tovovavy iray hita faty naolana sy nokendaina
Hita faty tetsy Antsahabe, fokontany Tsaramandroso-Namontana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady tamin’ny 07 ora maraina teo, ny tovovavy iray 25 taona. Nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Anosiala ny sefo fokontany vao nahita ny tranga. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo […]
Anosibe: mpanendaka roa lahy notanana am-ponja
Niakatra fampanaovana ny faran’ny herinandro teo, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora, ireo roa lahy sarona nanendaka teny Anosibe, ny alin’ny 14 jona teo. Mivezivezy eny amin’iny faritra iny amin’ny andro alina, mitonon-tena ho mpanao andrimasom-pokonolona, izy roa lahy, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Mpiasa nirava alina no lasibatr’izy […]





