Mpianatra miisa 13 mianadahy niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo taorian’ny fihinanana «salade de patte» tao amin’ny toeram-pivarotana hani-masaka iray tao Ambohimandamina. Kaominina Mahajanga, ny 2 mey lasa teo. Voatery nentin’ny namany nihazo ny hopitaly ireo tena voa mafy tamin’io tranga io. Efa manaraka fitsaboana eo anivon’ny CHU Mahavoky Atsimo izy ireo. Araka […]
Tranga
Taorian’ny fifamalian’ny mpivady : Lehilahy maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra
Lehilahy iray, 37 taona, maty nianjera avy eny amin’ny rihana fahefatra, tetsy Ankasina, omaly maraina. Nisy mangana ny tendany. Tsy fantatra mazava ny antony. Malaza ho mifamaly lava izy mivady. Atao famotorana eny amin’ny polisy ilay ramatoa. Vaky tanteraka ny lohan’ilay rangahy, noho ny hamafin’ny fianjerana. Nandrika ny ra tetsy […]
Ankadikely Ilafy : Lehilahy hita faty nananton-tena
Namoy ny ainy vokatry ny famonoan-tena ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Hitan’ny fianakaviany nihantona tamin’ny fantsona plastika maka endrika tady io lehilahy io. Naharay fampahafantarana an’ilay tranga ny mpitandro filaminana, tamin’ny 8 ora maraina. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny mpitsabo […]
Moto sy fiara nifandona : Lehilahy iray maty tetsy Ampitatafika
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena voalohany, ny alin’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny PK 09 + 200, teo amin’ny Voasary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny loza. Moto iray notaingenan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny fiara 4×4 iray. Avy aty Antananarivo ary nikasa […]
Niakatra fampanoavana omaly : 15 mianadahy nandroba 200 tapitrisa Ariary
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny olona 15 mianadahy. Voarohirohy tamin’ny fanafihana, teny Ambohimangakely izy ireo. 200 tapitrisa Ar ny vola voaroba tamin’ny 20 avrily. Nohainoin’ny fampanoavana omaly ireo 15 mianadahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, distrikan’Avaradrano, ny 20 avrily teo, tamin’ny 9 ora maraina. Nanapaka ny «caméra […]




